Ny mino miorina tsara dia:
Mofonaina anio: Alahady, faha 20 Jona 2021
1Petera 4.1 - 6
1Petera 4.1 - 6
1 Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka* tamin'ny ny ota; [* Gr.nampitsaharina] 2 mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra. 3 Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra; 4 ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy; 5 nefa hampamoahin'ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty 6 Fa noho izany no nitoriana ny filazantsara tamin'izay maty aza; mba hotsaraina araka ny olona amin'ny nofo izy fa ho velona araka an'Andriamanitra amin'ny fanahy.Ny mino miorina tsara dia:
1- Maka tahaka an’i Kristy (and. 1-2)
Ilay fakan-tahaka eto dia tena fanahafana sy fandehanana araka izay nataon’i Kristy. Misy ny olona milaza fa tsy tokony hiaritra fahoriana isika , satria efa nataon’i Jesoa izany, fa ny antsika dia fiadanana sy fahasambarana ihany. Efa resin’i Jesoa ohatra, hoy izy ireo, ny fahafatesany dia fiainana ho antsika. Fa izay ambaran’i Petera eto dia ilay fiaretana tamin’ny nofo izay nataon’I Kristy nandreseny ny ota izay nangeja antsika. Izany dia mampiseho fa fahavalo azontsika resena tsara ny nofontsika , izay mitondra sy mandavo antsika amin’ny fahotana. Mbola lavitra ny làlana handehanantsika ambara-piavin’ny Tompo , ka mila miambina mandrakariva isika. Izany no iavahantsika amin’ny olon’izao tontolo izao (Mat.5.14). Mba hahafahantsika mahatanteraka izany dia tsy maintsy mitafy an’i Kristy isika.
2- Miala lavitra sy manakaiky (and.3-6)
Rehefa voatanisan’i Petera avokoa ireo zavatra sy fanao ratsy fahiny izay tsy tokony hiainana intsony amin’izao andro iomanana amin’ny fiavian’ny Tompo izao, dia manondro toeram-baovao izy, dia fahitana ary miha-manakaiky ny fahasoavan’Andriamanitra. Tonga tsy hisy heviny ary mijanona ho fihetsika foana ny tsy fanaovana fahotana nefa tsy miala eo. Ny fialana amin’izany dia tsy fifindrana tontolo vaovao fotsiny ,fa fiomanana ho amin’ny mandrakizay mihitsy satria hotsaraina araka ny ataony isika rehetra. Koa ny olona miala lavitra ny fahotana dia miroso manakaiky ny fiainan-danitra. Miala amin’ilay fanamelohana mandrakizay,ka miditra amin’ny fiainam-baovao araka ny Tenin’I Tompo hoe : » Fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy« .(Jao.5.24)
Fanontaniana:
Aiza ny toerana misy anao ankehitriny?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE-FJKM