Sarobidy ny mihaino an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 12 Jona 2021
1 SAMOELA 15.16-26
1 SAMOELA 15.16-26
16 Dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Aoka izay, fa hambarako aminao izay nolazain'i Jehovah tamiko halina. Ary hoy izy taminy: Ambarao ary. 17 Dia hoy Samoela: Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan'ny firenen'Isiraely va? Ary Jehovah nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely; 18 ary Jehovah naniraka anao ka nanao hoe: Mandehana, ka aringano* avokoa ny Amalekita mpanota, ary miadia aminy ambara-paharingany.[Heb. ataovy herema] 19 Koa nahoana ianao no tsy nihaino ny feon'i Jehovah, fa nanao an-kazakazaka tamin'ny babo ka nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah? 20 Fa hoy Saoly tamin'i Samoela: Efa nihaino ny feon'i Jehovah ihany aho ka nandeha tamin'izay nanirahan'i Jehovah ahy ary nitondra an'i Agaga, mpanjakan'ny Amalekita, sady nandringana ny Amalekita rehetra. 21 Nefa nangalan'ny olona ondry aman'osy sy omby ny babo, dia izay soa avy tamin'ny zavatra haringana,1 mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao ao Gilgala. 22 Fa hoy Samoela: Sitrak'i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon'i Jehovah? He! ny manafaka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran'ondrilahy. 23 Fa ny miodina dia toy ny heloka amin'ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa. 24 Ary hoy Saoly tamin'i Samoela: Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin'i Jehovah sy ny teninao; fa natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony. 25 Koa ankehitriny, masìna ianao, mamelà ny heloko ary miverena amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan'i Jehovah. 26 Fa hoy Samoela tamin'i Saoly: Tsy hiverina aminao aho; fa ianao efa nandà ny tenin'i Jehovah, ary Jehovah kosa efa nandà anao tsy ho mpanjakan'ny Isiraely intsony.Sarobidy ny mihaino an’Andriamanitra
Anisan’ny teny manan-danja indrindra ao amin’ny tontolon’ny Testamenta Taloha . ny hoe: « mihainoa ry Israely« . Izany teny izany dia fitaomana ny mpitondra sy ny vahoaka Israely hihaino mandrakariva an’Andriamanitra . Tena loharanom-piadanana sy loharanom-pitahiana ho an’ny vahoaka Israely mantsy izany . Ny fihainoana an’Andriamanitra dia :
1-Ahafahana mandresy ny fahavalo
Afaka nandresy sy nandringana ny Amalekita i Saoly mpanjaka sy ny vahoaka Israely noho izy ireo nanaraka ny Tenin’Andriamanitra sy ny tenin’i Samoela mpanompon’Andriamanitra . Rehefa mifanaraka amin’izay toro-làlana omen’Andriamanitra sy ny mpanompon’Andriamanitra ny zavatra ataon’ny mpitondra sy ny vahoaka dia mahita fahombiazana izy ireo . Ampifanaraho amin’ny toromariky ny Tenin’Andriamanitra mandrakariva ny zavatra rehetra tanterahina fa fomba ho enti-mandresy ny fahavalo izany .
2-Ahazoana sitraka amin’Andriamanitra ( and22 )
Tsy naringan’i Saoly sy ny Israely ny biby fiompy araka ny toromariky ny Tompo . Nokasain’izy ireo hatao fanatitra ho an’ Andriamanitra izany. Nieritreritra hahazo sitraka tamin’Andriamanitra izy ireo raha nanao izany , kanjo teny mafy no azony tamin’Andriamanitra noho izy ireo tsy nanaraka ny Tenin’Andriamanitra . Tsy nahazo sitraka araka izay nantenainy . Raha te-hahazo sitraka amin’Andriamanitra dia zava-dehibe ny fahaiza-mihaino sy mankato Azy . Sitraky ny Tompo mihoatra noho izay fanomezana atolotra Azy ny mihaino sy mankato Azy .
Fanontaniana :
Nahoana ny vahoakan’Andriamanitra izay mihaino an’Andriamanitra no tsy tonga amin’ny fankatoavana Azy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM