Fomba ho enti-mandresy amin’ny ady
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 10 Jona 2021
DEOTERONOMIA 20.1-9
DEOTERONOMIA 20.1-9
1 [Ny amin'ny miaramila sy ny tafika] Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy ary olona maro noho ianao, dia aza matahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrao kosa, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, no momba anao. 2 Ary rehefa hanafika ianareo, dia hanatona ny mpisorona ka hiteny amin'ny olona hoe: 3 Mihainoa, ry Isiraely ô, fa efa hanafika ny fahavalonareo ianareo anio; koa aza ketraka ny fonareo ary aza matahotra, na mikorapaka foana, na mangorohoro noho ny tahotra azy; 4 fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin'ny fahavalonareo mba hamonjy anareo. 5 Dia hiteny amin'ny olona ireo mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay efa nanao trano vaovao, nefa tsy mbola nitokanany? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony. 6 Ary iza no olona izay efa nanao tanim-boaloboka, nefa tsy mbola nihinana ny vokatra? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hihinana ny vokatra. 7 Ary iza no olona izay efa nifofo vady, nefa tsy mbola nampakatra azy? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hampakatra ny vadiny. 8 Ary mbola hiteny amin'ny olona ihany ny mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay matahotra ka osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon'ny rahalahiny. 9 Ary rehefa vitan'ny mpifehy vahoaka ny teny ataony amin'ny olona, dia hasiany mpifehy ny miaramila hitarika azy.Fomba ho enti-mandresy amin’ny ady
Toromarika sy torolàlana nomen’i Mosesy ny zanak’Israely ity mofonaina ity . Toromarika ho enti-mandresy ny fahavalo amin’ny ady . Raha te-handresy amin’ny ady dia mila :
1-Mahatsiaro fa an’Andriamanitra ny ady (and 1)
Na maro toy ny ahoana aza ny fahavalo , na matanjaka toy ny ahoana , rehefa Andriamanitra no miady ho antsika dia tsy hisy maharesy antsika . Nampahatsiahivin’i Mosesy ny zanak’Israely izany . Mbola marina mandraka androany izany . Aza miady irery , aoka hiara-dàlana amintsika amin’ny adintsika Andriamanitra dia handresy isika araka ny and 4 « fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin’ny fahavalonareo mba hamonjy anareo« .
2-Mifampahery (and 2-4)
Ny adidin’ny mpisorona eto dia mampahery ny vahoaka amin’ny ady atrehany . Ilaina dia ilaina tokoa mantsy ny fampaherezana eo anatrehan’izay ady atrehana . Aza mba manadino ny mpampahery ny namana miatrika ady . Adidy maha- kristiana izany . Hafatr’i Jesoa tamin’i Petera izany : « ampaherezo ireo rahalahinao » (Lio 22.32).
3-Mankato ( and 5-9)
Ny fanarahana ny tenin’ny mpifehy eto no nampahomby tamin’ny ady . Tsy misaraka amin’ny fankatoavana ny fandresena amin’ny ady rehetra . Ny fanarahana tsara ny Tenin’ny Tompo no fomba mahomby indrindra ho enti-mandresy ny karazam-pahavalo rehetra . Efa nomen’i Jesoa ny toro-làlana ho enti- mandresy eto amin’izao tontolo izao .
Fanontaniana :
Inona avy ireo toro-mariky ny Tompo ho enti-mandresy amin’ny ady eto amin’izao tontolo izao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM