Ny fomba hahazoana famonjena
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 07 Jona 2021
LIOKA 17.11-19
LIOKA 17.11-19
11 Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an'i* Samaria sy Galilia.[*Na: Teny anelanelan'i] 12 Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny. 13 Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay. 14 Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana. 15 Ary ny anankiray tamin'ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery 16 sady niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny. 17 Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy? 18 Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va? 19 Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.Ny fomba hahazoana famonjena
Tantaran’ireo boka 10 lahy nositranin’i Jesoa ity ambara eto ity . Tantara izay mampiseho amintsika fa misy olona sitrana (afaka amin’ny habokana ) dia mijanona eo , misy kosa voavonjy ( voavela hatramin’ny heloka ). Rehefa manatona an’i Jesoa ny olona ka mangataka fanavotana Aminy dia mahazo tombony avy amin’izany . Raha te- hahazo famonjena dia :
1-Mankato ny Tenin’i Jesoa (and 14)
Rehefa nangataka ny hositranin’i Jesoa ireto boka ireto dia hita eto amin’izao and 14 izao fa rehefa mandeha , nankato ny Tenin’i Jesoa izy ireo dia sitrana sy nadio teny am-pandehanana . Amin’ny alalan’ny fankatoavana an’i Jesoa sy ny teniny no nahazoana famonjena . Izay mankato an’i Jesoa dia hahita fiovam-piainana lehibe eny am-pankatoavana an’i Jesoa . Raha tianao ny hahita zava-mahagaga avy amin’ny Tenin’Andriamanitra , ankatoavy izany . Andriamanitra Jesoa ka mahay manatanteraka izay lazainy sy hibaikony .
2-Misaotra an’Andriamanitra ( and 15-19)
Rehefa niverina nisaotra an’Andriamanitra ny iray dia nahazo famonjena . Izany hoe: tsy sitrana ara-batana fotsiny fa nahazo famelankeloka. Fahasitranana ara-panahy . Tsy sitrana fotsiny fa voavonjy mihitsy . Ny fankalazana an’Andriamanitra nataon’ity boka iray sitrana ity dia endriky ny fankasitrahany an’Andriamanitra , endriky ny fisaorany an’Andriamanitra tamin’ny zava-mahagaga nataon’Andriamanitra taminy . Noho izany dia voavonjy izy fa tsy nijanona fotsiny teo amin’ny fahasitranana ara-batana . Izay hahavoavonjy no tsara hanatonana an’i Jesoa sy hangataham-panavotana Aminy . Izany rahateo no tena antony nahatongavany teto amin’izao tontolo izao .
Fanontaniana :
Inona no tsara : sitrana sa voavonjy ? Nahoana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM