Jesoa Kristy : Andriamanitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 03 Jona 2021

MATIO 9.18-26

MATIO 9.18-26
18 Raha mbola nilaza izany taminy Izy, indro, tonga ny mpanapaka anankiray, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Maty ankehitriny izao ny zanako-vavy; fa andeha re, mametraha ny tananao aminy, dia ho velona izy. 19 Dia nitsangana nanaraka azy Jesosy mbamin'ny mpianany. 20 Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa narary* roa ambin'ny folo taona, nankeo ivohony ka nanendry ny somotraviavin-dambany. [*Gr. narary nandeha rà] 21 Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana* aho.[*Na: voavonjy] 22 Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana* anao. Dia sitrana** ilay vehivavy tamin'izay ora izay. *Na: namonjy.[*Na: voavonjy] 23 Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon'ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba, 24 dia nanao hoe: Mivoaha; fa tsy maty razazavavy, fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. 25 Ary nony efa navoaka ny olona, dia niditra Jesosy ka nandray ny tànan-drazazavavy, dia nitsangana izy. 26 Ary ny lazan'izany dia niely tamin'izany tany rehetra izany.

Jesoa Kristy : Andriamanitra

Ny asa fanasitranana sy famonjena nataon’i Jesoa dia nahatsara laza Azy teo amin’ny mpiara-monina taminy . Tsy nisy aretina na olana samihafa tokoa mantsy no entina teo amin’i Jesoa ka tsy nahitany vahaolana . Jesoa tokoa dia Andriamanitra .

1-Akaikin’ny olona

Andriamanitra azon’ny olona rehetra nanana olana natonina i Jesoa . Ilay mpanapaka maty zanaka nanatona an’i Jesoa , ilay vehivavy narary roa ambin’ny folo taona nanatona an’i Jesoa . Andriamanitra akaikin’izay manana olana rehetra i Jesoa . Andriamanitra nanaiky natonin’ny olona rehetra rahateo Izy. Ary raha ny marina , Izy mihitsy aloha no efa nanatona ny olona rehetra raha nidina avy tany an-danitra , mba ho mora amin’ny olona rehetra , indrindra ireo izay manana ilana ny manatona Azy . Mandraka ankehitriny dia mbola akaikin’ny olona rehetra Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy .

2-Manasitrana rehefa mahita finoana (and22)

Rehefa hitan’i Jesoa ny finoan’ilay vehivavy narary an-taona maro dia nositraniny izy . Tonga niasa avy hatrany i Jesoa rehefa mahita finoana ao amin’ny olona . Io finoana io no manosika sy manery Azy hamaha ny olan’ny olona rehetra manatona Azy tsara ny manatona an’i Jesoa . Tsara ny ho eo akaikiny fa tena zava-dehibe ary zavatra takian’i Jesoa ny finoana Azy . Ny hoe : mino Azy dia manaiky tsy am-pisalasalana fa hainy ny zavatra rehetra , indrindra ny mamonjy sy manafaka amin’ny geja samihafa . Zava-poana araka izany ny fanatonana an’i Jesoa kanefa tsy arahim-pinoana . Ekeo ho Andriamanitra afaka manala amin’ny geja samihafa i Jesoa .

Fanontaniana :

Ahoana ny fomba tsotra hanatonana an’i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM