Ireo antony mampahory ny mino
Mofonaina anio: Talata, faha 01 Jona 2021
NEHEMIA 9.32-37
NEHEMIA 9.32-37
32 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sady mahery no mahatahotra, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao, aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo anay, dia ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay sy ny mpaminaninay ary ny razanay, dia ny olonao rehetra, hatramin'ny andron'ireo mpanjakan'i Asyria ka mandraka androany. 33 Hianao no marina tamin'izay rehetra nanjo anay, fa marina ny nataonao; fa izahay no nanao ratsy; 34 ary ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay ary ny razanay dia samy tsy nankato ny lalànao, na nihaino ny didinao sy ny teni-vavolombelonao, izay nananaranao azy mafy. 35 Fa tsy nanompo Anao teo amin'ny fanjakany izy sy teo amin'ny haben'ny zava-tsoa nomenao azy ary teo amin'ny tany malalaka sy lonaka izay nomenao ho eo anoloany, sady tsy niala tamin'ny ratsy fanaony izy. 36 Koa, indreto, andevo izahay izao, ary ny amin'ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto, andevo eto izahay; 37 ary mahavokatra be izy, kanefa ho an'ireo mpanjaka izay notendrenao hanapaka anay noho ny fahotanay ihany izany; eny, manapaka ny tenanay sy ny biby fiompinay araka ny sitrapony izy, ka ozoim-pahoriana mafy izahay.Ireo antony mampahory ny mino
Ny bokin’i Ezra sy Nehemia no boky tantara mitantara amintsika ankehitriny ny zava-nisy taorian’ny fiverenana avy tamin’ny fahababoana. Na dia efa tafaverina avy amin’ny fahababoana aza anefa ny Jiosy dia mbola tsy tsara ny fifandraisany tamin’Andriamanitra . Ary satria ratsy ny fifandraisany tamin’Andriamanitra dia tafiditra tao anaty fahoriana maro izy . Ny fahotana dia vokatry ny :
1-Tsy fankatoavana an’Andriamanitra (and 33-34)
Ny vahoaka Israely dia milaza mazava tsara fa nanao ratsy teo anatrehan’Andriamanitra ny mpanjaka ,tsy nankato an’Andriamanitra . Tsy mahagaga , hoy izy ireo raha tafiditra tao anaty fahoriana izy ireo . Raha vao nanomboka ny fiainan’ny olombelona tao amin’ny saha Edena dia tsy tokony hohadinoina fa anisan’ny nahatonga ny olona ho amin’ny fahoriana sy ny fahafatesana ny tsy fankatoavan’i Adama sy Eva an’Andriamanitra . Tandremo fa loharanom-pahoriana ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra sy ny Teniny .
2-Fialana amin’Andriamanitra
Niala tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny mpitondra tany Jerosalema ka nahatonga ny fahoriana nisy teo amin’ny fiaraha-monina . Tsy vitan’ny hoe : niala tamin’Andriamanitra sy ny fanompoana Azy izy ireo , fa tena nifikitra tamin’ny fanao ratsy koa. Tsy nijoro ho solotenan’Andriamanitra teo amin’ny fanjakana izy ireo . Noho izany rehetra izany dia tsy mahagaga raha tafiditra tao anaty fahoriana lalina ny fiaraha-monina sy ny vahoaka Israely . Ny fahoriana samihafa eto amin’izao tontolo izao dia tsy zavatra tongatonga ho azy fa tena vokatry ny faharatsian’ny olombelona tokoa .
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba ialan’ny olona amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ? Inona avy no vokatr’izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM