Ny mpanompo mandalo fitsapana

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 29 Mey 2021

ASAN'NY APOSTOLY 4.23-31

ASAN'NY APOSTOLY 4.23-31
23 Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin'ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona taminy. 24 Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin'Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, 25 ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena? 26 Ireo mpanjakan'ny tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany (Sal. 2. 1, 2). 27 Fa efa niangona marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao* Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, [*Na: ny Zanakao] 28 mba hanao izay notendren'ny tananao aman-tsainao rahateo hatao. 29 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra, 30 omban'ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao* Masina. [*: Na: Zanakao] 31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.

Ny mpanompo mandalo fitsapana

1-Mivavaka amin’ny finoana

Nosamborina , norahonana , norarana mba tsy hiteny na hampianatra amin’ny Anaran’i Jesoa ry Petera sy Jaona . Rehefa tafahaona tamin’ireo mpianatra namany izy roalahy dia niara- niombom-bavaka izy ireo . Nivavaka tamin’ny finoana fa Andriamanitra irery ihany no Tompon’ny hery sy ny fahefana eto amin’izao tontolo izao ity . Andriamanitra efa niasa tamin’ny alalan’ny Fanahiny izay nampiteny an’i Davida manoloana ny fahavalon’ny olony . Koa antenainy fa manoloana izao olana sy sakana samihafa izao dia matoky ireto mpianatr’i Jesoa fa tsy hitazana fotsiny Andriamanitra . Rehefa tojo olana , dia MIVAVAHA!

2-Ampaherezin’Andriamanitra

Nihaino ny fivavaky ny finoana tokoa Andriamanitra . Faniriana lalina tao anatin’ny mpianatra ny hijoro , hiroso , hitory amin’ny fahasahiana , hanao asa mitondra famonjena ho an’ny olona . Mba hahatanteraka izany dia nomen’Andriamanitra ny Fanahy Masina ny mpianatra , mitovy amin’ilay Fanahy nampiteny an’i Davida tamin’ny fahasahiana nanoherana ny fandrahonan ‘ny fahavalo . Tonga tamin’ireo mpianatra nivory , niara-niombom-bavaka ny Fanahy Masina . Noho ny herin’ny Fanahy Masina mitondra sy mitarika azy ireo dia feno fahasahiana nitory ny Tenin’Andriamanitra ny mpianatra . Tsy natahotra ny fahavalon’ny Filazantsara . Miharihary fa ny Fanahy Masina dia omen’Andriamanitra ho fampaherezana , ho fampijoroana ny mpanompony .

Fanontaniana :

Nahoana no misy olona matahotra hitory ny Filazantsara ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM