Ny Fanahin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Zoma, faha 28 Mey 2021

NOMERY 11.24-30

NOMERY 11.24-30
24 Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay. 25 Ary nidina teo amin'ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin'i Mosesy ka napetrany tao amin'ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony. 26 Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran'ny anankiray, ary Medada no anaran'ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan'izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin'ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy. 27 Ary nisy zatovo nihazakazaka, dia nilaza tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany etsy an-toby. 28 Dia namaly Josoa, zanak'i Nona, izay nanompo an'i Mosesy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy. 29 Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon'i Jehovah rehetra, ka halatsak'i Jehovah aminy ny Fanahiny! 30 Dia nankeo an-toby Mosesy sy ny loholon'ny Isiraely.

Ny Fanahin’Andriamanitra

1-Mampiombona amin’ny asa fanompoana

Hitan’Andriamanitra fa mila namana i Mosesy ho mpiara-miasa aminy , hiombona amin’ny fitarihana ny vahoakan’Andriamanitra . Noho izany , nasain’Andriamanitra nanangana fitopolo lahy hiara- mitondra aminy izy . Ny Fanahin’Andriamanitra izay tao amin’i Mosesy ihany no nakana ka nanomezana ireo loholona ireo . Midika izany fa mampiombona ho amin’ny asa fanompoana ny Fanahin’Andriamanitra mba ho saina iray , fo iray miara-mihevitra no hitarihana ny olona .

2-Mampifandray amin’Andriamanitra

Rehefa nandray ny Fanahin’Andriamanitra ireo loholona nofidin’i Mosesy dia naminany , na ireo tonga teo amin’ny trano lay fihaonana izany na izy roalahy nijanona tany ivelan’ny toby . Faminaniana , fanompoana manokana , fiderana an’Andriamanitra izay maneho fa tafaray amin’Andriamanitra ireto loholona ireto noho ny Fanahiny mitoetra sy monina ao anatiny .

3-Ho an’ny olona rehetra

Rehefa nandre i Josoa fa naminany teny ivelan’ny toby ireo roalahy izay isan’ny voasoratra ho loholona dia niteny tamin’ i Mosesy mba handrara azy ireo . Mazava tsara anefa ny fikasana , ny fanirian’i Mosesy tsy ho an’ny sokajin’olona manokana ihany ny Fanahin’Andriamanitra fa ny olona rehetra no mandray izany , mba hahatonga ny olona hifandray amin’Andriamanitra sy hidera Azy .

Fanontaniana :

Nahoana no misy olona iray asa fanompoana , kanefa tsy mifankahazo na mifanenjika , mifamingana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM