Ny Fanahin’ny fahamarinana
Mofonaina anio: Talata, faha 25 Mey 2021
JAONA 16.12-15
JAONA 16.12-15
12 Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny. 13 Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. 14 Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo. 15 Izay rehetra ananan'ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.Ny Fanahin’ny fahamarinana
1- Mampianatra ny marina
Mba hahafahan’ny mpianatra mahazaka ny toe-javatra tsy maintsy hatrehina eo amin’ny andraikitra nifidianan’ i Jesoa azy ireo dia nomena ny Fanahin’ny fahamarinana. Tsy zakan’ny sain’olombelona samy irery mantsy ny fahamarinana (and 12) , malemy , mora kivy ny olona amin’ny maha-olona azy . Mazava araka izany ny fanomezan-toky nataon’i Jesoa : « hitari-dàlana anareo ho amin’ny marina rehetra » . Tsy fampianarana hafa no ampianarin’ ny Fanahin’ny fahamarinana , fa izay avy amin’i Jesoa ihany mba hampiorina tsara ny mpianatra sy hahafahana mandrakariva amin’ny asa fanompoana .
2-Mampijoro ho vavolombelona
Rehefa manatanteraka ny asa fanompoana nifidianana azy ny mpianatra dia tsy maintsy hisedra fahoriana , fijaliana , fanenjehana toy izay nahazo an’i Jesoa . Manoloana izany dia miasa ny Fanahin’ny fahamarinana , manambara amin’ny mpianatra izay toe-javatra efa niainan’i Jesoa . Mampianatra fa ny fiainana na ny zava-tsarotra rehetra dia efa nihatra tamin’i Jesoa . Tsy resy i Jesoa na dia niharan’ny fahafatesana aza fa nivoaka ho mpandresy . Rehefa mahatsiaro izany ireo mpianatra dia hanana fahasahiana , hijoro vavolombelona hatrany , fa mampandresy azy amin’ny fotoan-tsarotra rehetra ihany koa ny Tompo . Mijoro tsara amin’ny asa fanompoana noho ny Fanahy Masina mitarika azy ny mpino .
Fanontaniana :
Nahoana no tsy miorina tsara ny olona rehefa tojo fitsapana amin’ny asa fanompoana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM