Andriamanitra mihevitra ny mahasoa ny olony
Mofonaina anio: Zoma, faha 21 Mey 2021
NEHEMIA 9.20-25
NEHEMIA 9.20-25
20 Ary ny Fanahinao tsara dia nomenao azy koa hampianatra azy, ary tsy niaro ny namanao tamin'ny vavany Hianao sady nanome azy rano, raha nangetaheta izy; 21 eny, efa-polo taona no namelomanao azy tany an-efitra, ka tsy nanan-java-mahory akory izy; tsy rovitra ny fitafiany, ary tsy nivonto ny tongony. 22 Ary nanome azy fanjakana sy firenena maro Hianao, ka voazaranao araka ny faritaniny avy ireny; ka dia nahazo ny tanin'i Sihona sy ny tanin'ny mpanjakan'i Hesbona ary ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, izy. 23 Ary ny zanany dia nohamaroinao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra, sady nentinao ho amin'ny tany izay nolazainao tamin'ny razany fa hidirany holovana. 24 Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany, ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo an-tanany ireo mbamin'ny mpanjakany sy ny vahoakany hanaovany azy araka ny sitrapony. 25 Ary nahazo tanana mimanda sy tany lonaka izy ary trano feno zava-tsoa rehetra sy lavaka famorian-drano voahady sy tany voavoly voaloboka sy oliva ary hazo fihinam-boa betsaka; dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka nifalifaly tamin'ny fahatsaranao lehibe.Andriamanitra mihevitra ny mahasoa ny olony
Nivavaka ,niaiky heloka, nanetry tena, naneho ny finoany an’Andriamanitra ny Jiosy .
1-Manome zavatra tsara ho an’ny olony
Resy lahatra ny olona mivavaka amin’Andriamanitra fa ny tsara indrindra no efa nomen’Andriamanitra ny olony raha nitondra azy ireo nivoaka avy tany Egypta ho any amin’ny tany Kanana Izy . Teo ny Fanahiny tsara . Teo koa anefa ireo zava-tsoa rehetra mahasoa , mahavelona ny olona , ny fiadanana sy ny fahasalamana .Tena miavaka ny fitondran’Andriamanitra ny olony : « eny , efapolo taona no namelomanao azy tany anefitra , ka tsy nanan-java-mahory akory izy , tsy rovitra ny fitafiany , ary tsy nivonto ny tongony » . Hafa ihany ny fiainana miaraka amin’Andriamanitra . Fiainam-pitahiana miavaka .
2-Manome toetra tsara
Miavaka ny asan’ny Fanahy tsara nomen’Andriamanitra ny olony . Lazaina manokana eto ny hoe : Fanahy tsara no nomen’Andriamanitra ny olona . Misy koa araka izany ny fanahy ratsy izay manome toetra ratsy , fisainana ratsy , fitondrantena ratsy . Koa ilay Fanahy tsara nomen’Andriamanitra ny olona , mitoetra sy manapaka , mitarika amin’ny fiainana manontolo dia manome toetra tsara , toetran’olona mino sy matoky an’Andriamanitra . Mba hahatonga anao hanana toetra tsara , miaina ny fiainan’ny zanak’Andriamanitra dia mangataha ny fanomezana tsara indrindra dia ny Fanahy Masina , ilay Fanahy tsara amin’izao herinandron’ny Fanahy Masina izao .
Fanontaniana :
Inona no fanomezana tianao omen’Andriamanitra anao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM