Ilay Andriamanitra Mpahary
Mofonaina anio: Talata, faha 18 Mey 2021
SALAMO 104.24-30
SALAMO 104.24-30
24 Endrey ny hamaroan'ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao* ny tany. [Na: ny harenao] 25 Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe. 26 Any no alehan'ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any*.[Na: holaolaovinao] 27 Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin'ny fotoany. 28 Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy; 29 Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin'ny vovoka nanalana azy, 30 Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao.Ilay Andriamanitra Mpahary
Maneho ny maha-Mpahary an’Andriamanitra ity Salamo ity . Fahariana tanterahiny amin’ny alalan’ny asan’ny Fanahiny tafapaka amin’ny zava-boahary rehetra .
1-Miavaka ny asan’Andriamanitra (and24-26)
« Endrey ... » : Gaga ny mpanao Salamo rehefa nandinika ny zavatra rehetra , ny asan’Andriamanitra hitan’ny masony eto amin’ity izao tontolo izao ity . Asa fahariana maneho ny fahendren’Andriamanitra , ny fahatsarany . Tsara sady mpanao ny tsara Andriamanitra . Izy no mandrindra sy mitondra ny fiainan’ny zavatra rehetra . marobe ny zava-mananaina noforoniny ao anatin’ny ranomasina , kanefa samy manana ny maha-Izy Azy ireny . Andriamanitra no mitondra , mandray an-tànana na manao ahoana na manao ahoana ny fahalehibiazany . Miavaka ny fomba hitondran’Andriamanitra ny fiainanao . Matokia!
2-Miantoka ny fiainan’ny zava-boahary (and 27-30)
Miankina amin’ny asan’Andriamanitra sy ny fanatrehan’Andriamanitra ny mahalavorary ny fiainan’ny zava-mananaina rehetra . Andriamanitra no miantoka ny sakafo fototry ny fahavelomany (and 27) . Rehefa manatrika ny fiainan’ny zava-mananaina Andriamanitra dia mirindra ny fiainany (and 28) . Tahotra sy fahafatesana kosa no miseho rehefa tafasaraka amin’Andriamanitra ny zava-boahary (and 29) . Noho izany indrindra dia miasa amin’ny alalan’ny Fanahiny Andriamanitra ho eo amin’ny fiainan’ny zava-boahary , mba hanana fiainana miavaka ny zavatra nohariany , indrindra isika zanak’olombelona .
Fanontaniana :
Tanisao ireo asan’Andriamanitra hitanao fa miavaka ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM