Ny fanomezana ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 13 Mey 2021

ASAN'NY APOSTOLY 1.6-11

ASAN'NY APOSTOLY 1.6-11
6 Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely? 7 Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany*. [*Na: izay nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany] 8 Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. 9 Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony intsony Izy. 10 Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny nandehanan'i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy, 11 izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.

Ny fanomezana ny Fanahy Masina

Isan’ny zava-dehibe nolazain’i Jesoa tamin’ny mpianany taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty ny fampanantenana ny handatsahan’Andriamanitra ny Fanahy masina . Izany dia :

1-Hery ho fampiorenana ny finoana an’i Jesoa

Efa nampiomana ny mpianatra i Jesoa fa tsy maintsy ho avy ny fotoana hialany tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony . Tsy mora ho an’ireo izany satria etsy andaniny ny alahelo noho ny fisarahana ara-nofo ; etsy ankilany ny fanenjehana sy ny fankahalan’izao tontolo izao ary ny fampahoriana avy amin’i satana .Na izany aza dia tsy hamela azy ireo hiady irery Izy, ka nampanantena azy ireo ny hanomezana ny Fanahy Masina (Jao 16.16-33) . « Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo » (and 8) . Ny Fanahy Masina no hery mamafa alahelo , hery enti-miatrika ny fanenjehana sy ny fankahalana ataon’ny fahavalon’ny Filazantsara, hery enti-mandresy ny fahafatesana , hery mampiorina ny finoana an’i Jesoa .

2-Hery enti-mitory ny Filazantsara

Ny zavatra nahamaika ny mpianatra dia ny hahafantatra ny fotoana hahatanterahan’ny fanjakan’Andriamanitra ka nanontaniany an’i Jesoa (and 6) . Hafa noho izany ny navalin’iJesoa : « …ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany » . Matoa isika mbola navelan’ny Tompo ho eto amin’izao tontolo izao dia misy iraka tiany hotanterahantsika mialohan’ny hiverenany indray, dia ny hijoro ho vavolombelony . Efa nambarany rahateo fa tsy maintsy hotoriana amin’ny firenena rehetra ny Filazantsara vao ho tonga ny farany (Mar 13.10) . Ny herin’ny Fanahy Masina no ahafahana miatrika izany asa lehibe sy midadasika izany .

Fanontaniana :

Efa mba nandeha Tafika Masina ve ianao ? Ifampizarao

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM