Ny mampiavaka ny olom-boahosotra

Mofonaina anio: Talata, faha 11 Mey 2021

2 SAMOELA 23.1-7

2 SAMOELA 23.1-7
1 [Ny fara-teny nataon'i Davida] Ary izao no fara-teny nataon'i Davida: hoy Davida, zanak'i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry* ny Andriamanitr'i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin'ny Isiraely:[Na: Izay nampanantenaina ny amin'ny voahosotry, etc] 2 Ny Fanahin'i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin'ny lelako; 3 Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin'ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra; 4 Ary izany dia toy ny fahazavan'ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin'ny tany noho ny hain'andro manarakaraka ny ranonorana. 5 Ary tsy toy izany indrindra amin'Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin'ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va? 6 Fa ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, Fa tsy azo raisin'ny tanana izy; 7 Ary ny olona izay mikasika azy Dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona*; Ary hodorana amin'ny afo avokoa amin'izay itoerany ireny.[Heb. feno vy sy zaran-defona]

Ny mampiavaka ny olom-boahosotra

Ny olom-boahosotra dia itoeran’ny Fanahin’Andriamanitra . Anisan’ireny i Davida mpanjaka . Hita miharihary amin’ity tononkira ity ny mampiavaka azy :

1-Ny Fanahin’ny Tompo no mampiteny azy

« Ny Fanahin’i Jehovah no mampiteny ahy , ary ny teniny no eo amin’ny lelako » (and2) . Mampiseho fanetretena lehibe eo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoakan’Israely izany . Na dia nanana izay fahefana sy izay heverina ho fahamboniana aza izy dia tsy nentiny nirehareha izany , fa nanehoany kosa ny halehiben’ny famindrampon’Andriamanitra taminy sy amin’ny taranany mifandomby . Aoka tsy alaim-panahy hirehareha isika raha nahavita nitoriteny sy nahataona olona maro ho an’ny Tompo . Andriamanitra no aoka hisaorana sy omem-bonnahitra fa ny Fanahiny izay nomeny antsika no nahafahana nanao ny asany . Raha tsy izany , fanahy inona no mampiteny antsika ?

2-Ny Tompo no mpiaro azy (and3)

Na dia nofidin’Andriamanitra sy nitoeran’ny Fanahiny aza izy dia nanam-pahavalo . matetika izy no efa tra-doza sy efa saika namoy ny ainy noho ny nafitsoky ny Filistina , ny nataon’i Saoly , i Absaloma sns… Ambarany eto amin’ity tononkira ity fa ny fifikirany tamin’Andriamanitra sy ny fanarahany ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanarahany ny sitrapon’Andriamanitra no niantoka ny fiarovan’Andriamanitra azy sy ny taranany mifandimby . « Ny mpanjaka izay mifehy ny olona amim-pahamarinana sy mitondra azy am-panajana an’Andriamanitra dia toy ny fahazavan’ny maraina raha miposaka ny masoandro … » (and3,4) . Fa ny ratsy fanahy kosa dia hofaizin’Andriamanitra sy hopotehiny (and6,7) .

Fanontaniana :

Inona no andraikitry ny Fiangonana manoloana ny mpitondra ratsy fanahy sy tsy matahotra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM