Mialoha ny farany…
Mofonaina anio: Alahady, faha 09 Mey 2021
MARKA 13.9-11
MARKA 13.9-11
9 Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin'ny Synedriona sy hokapohina ao amin'ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy. 10 Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha. 11 Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo'amin'izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina.Mialoha ny farany…
Nanatona an’i Jesoa ny mpianany vitsivitsy , dia i Petera sy Jakoba ary Jaona sy Andrea ka nanontany Azy misimisy kokoa momba ny famantarana mialohan’ny ihavian’ny faharavana izay nambarany . Tamin’izany no nampiomanany ny mpianatra fa :
1-Ho avy ny fanenjehana (and9)
Tsy maintsy hihatra amin’ny Apostoly ny fanenjehana mivaivay noho ny fanarahany an’i Jesoa sy ny fijoroany ho vavolombelony . Endrika maro no isehoan’izany , toy ny fiampangana eo anatrehan’ny manam-pahefana sy ny mpanapaka , ny fikapohana, ny fanagadrana sns… Tsy ho azy ireo ihany fa mandraka ankehitriny dia mbola mihatra amin’ny fiangonana sy ny kristiana maro eran-tany ny fanenjehana noho ny amin’i Jesoa Kristy . Ampaherezina ny mpino mba hiomana sy hiatrika izany ka tsy hihemotra .
2-Handre ny vaovao mahafaly ny firenena rehetra (and10)
Ny fanenjehana mivaivay dia tsy hahasakana fa vao mainka aza hampiely ny Filazantsara amin’ny olona rehetra sy ny firenena rehetra . Ny fanombohana an’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana no vao mainka nampiharihary ny vaovao mahafaly taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty . Arakaraka ny hamafin’ny fanenjehana sy ny fisian’ny maritiora no vao mainka nielezan’ny Filazantsara hatrany amin’ny faran’ny tany .
3-Hisolo vava ny mpianatra ny Fanahy Masina
Izany akory tsy midika hoe: tsy mila fanomanana ny asan’Andriamanitra mbamin’ny toriteny . Miasa ao anatintsika tokoa ny Fanahy , ary matetika aza no tsy araka izay nandrasana sy nokasaintsika ny fiasany . Tsy misakana antsika tsy hiomana . Ny mpino efa niomana sy vonona no iasan’ny Fanahy Masina .
Fanontaniana :
Inona avy ny fanenjehana efa nihatra taminao ? Ifampizarao .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM