Torio amin’ny fo madio ny Filazantsara

Mofonaina anio: Zoma, faha 07 Mey 2021

2 KORINTIANA 3.1-6

2 KORINTIANA 3.1-6
1 [Ny amin'ny voninahitra momba ny raharaha nanendrena ny Apostoly, sy ny fihoaran'izay noho ny voninahitry ny lalàna] Moa midera tena indray va izahay, sa toy ny sasany ka mila epistily filazan-tsoa anay ho aminareo, na avy aminareo? 2 Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatry sy vakin'ny olona rehetra; 3 eny, aseho ho epistilin'i Kristy izay entinay* ianareo, tsy nosoratana tamin'ny ranomainty anefa, fa tamin'ny Fanahin'Andriamanitra velona, tsy teo amin'izay tena vato fisaka, fa teo amin'izay vato fisaka nofo, dia ny fo.[*Na: soratanay; Gr. anompoanay] 4 Ary manana izany fahatokiana izany ny amin'Andriamanitra izahay amin'ny alalan'i Kristy. 5 Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin'inona na amin'inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin'Andriamanitra, 6 Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin'izay fanekena vaovao, nefa tsy amin'ny soratra, fa amin'ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona.

Torio amin’ny fo madio ny Filazantsara

Nisy niampanga i Paoly fa hoe olona midoka tena , ka izany no anisan’ny antony nitondrany ity fampianarana ity . Ireto no hafatra :

1-Aza mila sitraka aman’olona

« Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatry sy vakin’ny rehetra » (and 2). Ny hoe : « epistily » eto dia taratasy filazantsoa , izany hoe: taratasy fanolorana alefa any amin’ny fiangonana hilazana ny maha- mpanompo tsara an’ilay olona atolotra . Tsy nila izany i Paoly . Nambarany fa ny Korintiana no taratasy filazantsoa ho azy . Tsy midera tena na mila sitraka toy ny olona sasany izy fa ny mpino tao Korinto no vavolombelon’ny asa fitoriana ny Filazantsara izay nataony . Ary tsy mirehareha amin’izany izay , satria fantany fa Andriamanitra no nanao azy ho mpanompo ka hahavitany izay kasainy . Aza midoka tena , fa aleo ny olona no hilaza ny momba antsika .

2-Meteza hotarihan’ny Fanahy

Ilaina ny fitandremana ny lalàn’i Mosesy , nahasoa ny Israely nandritra ny taona maro ny fitandremana ny didy folo , ary betsaka ny taratasy nosoratan’i Paoly manamarina izany . eto anefa izy dia milaza : « …fa ny soratra mahafaty , fa ny Fanahy no mahavelona » ( and 6b) . Izao no tiany hambara : tsy ny lalàn’i Mosesy akory no ratsy ho azy, fa ny fomban’ny olona sasany izay mandray izany amin’ny dika vilana no ratsy , hany ka lasa fahazarana sy fisehoana ivelany fotsiny ny fitandremana ny lalàna voasoratra fa tsy fisainana . nahazo ireo Fariseo sasantsasany tamin’i Jesoa izany ary mbola mahavoa ireo mpanenjika hatramin’izao . Izay manaiky ny fitarihan’ny Fanahy no mahatanteraka ny lalàna .

Fanontaniana :

Porofoy fa ilaina ny Foto-dalàna sy Fitsipika ho Fitaizany ny mpino .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM