Atsangano ny maty !

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 06 Mey 2021

EZEKIELA 37.1-14

EZEKIELA 37.1-14
1 [Fanoharana ny amin'ny hampodiana ny Isiraely, sy ny hanakambanana azy ho firenena iray hanjakan'i Davida] Tao amiko ny tànan'i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran'i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin'ny lohasaha feno taolana aho. 2 Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin'ireo Izy; ary, indreo, betsaka dia betsaka teny amin'ny lohasaha ireo, ary, indreo, maina dia maina Ireo. 3 Ary hoy Jebovah tamiko: Ry zanak'olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala. 4 Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin'ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin'i Jehovah! 5 Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; 6 ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. 7 Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho. dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. 8 Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. 9 Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin'ny fofonaina, eny, maminania. ry zanak'olona, ka ataovy amin'ny fofonaina hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Manatona avy amin'ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy. 10 Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran'ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin'ny tongony izy maro be dia maro be tokoa. 11 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireto taolana ireto dia ny taranak'Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay. 12 Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin'ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin'ny tanin'ny Isiraely; 13 ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin'ny fasanareo. 14 Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin'ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah.

Atsangano ny maty !

Nentin’ny Fanahy nankany amin’ny lohasaha feno taolana i Ezekiela Mpaminany mba hanambarany ny sitrapony :

1-Ankatoavy izay rehetra lazain’ny Tompo

Nasain’ny Tompo niteny tamin’ireo taola-maina i Ezekiela araka izay nandidiany . Rehefa nanaraka izay rehetra nampanaovina azy ny mpaminany dia hitany fa nihetsika avy tamin’ny toerany avy ireo faty sady nitambatra ka velona indray . Izao no hevitry ny fahitana : ny taola-maina dia ny taranak’Israely rehetra izay efa anatin’ny famoizampo sy ny tsy fanantenana intsony satria babo. Nankato ny Tenin’ny Tompo ny mpaminany , na dia sarotra inoana aza ny asa nampanaovina azy . Mety hisy fotoana ahatsiarovantsika fa mahatahotra sy sarotra tanterahina ny iraka ampanaovin’ny Tompo . Ny fankatoavana ihany no anjarantsika . Ataovy izay asainy atao , ary matokia ! Hoy ny mpaminany : « Jehovah Tompo o , ianao no mahalala » (and3b)

2-Mijoroa amin’ny maha-mpaminany

Ny Fanahy izay tao amin’i Ezekiela no nahafahany nijoro teo anivon’ny lohasaha feno taola-maina , ary izany Fanahy Izany ihany no mbola nahafahany nijoro hitondra fampaherezana ho an’ny vahoaka kivy sy miraviravy tànana . Hery lehibe ahafahantsika mijoro ny Fanahy Masina ka mamelona ny fanantenan’ny olona kivy sy ketraka , na dia manoloana ny fahafatesana aza . Ny Fiangonana no mpaminany eo anivon’ny firenena ka tokony hijoro ho mpanangana ny maty anatrehan’ny fahalovana vokatry ny fahotana . Ampaherezo izay azom-pahoriana ka ambarao fa Andriamanitra dia efa nanangana an’i Jesoa Kristy tamin’ny maty . Resiny ny fahafatesana !

Fanontaniana :

Inona no iraka tokony hotanterahin’ny Fiangonana manoloana ny fihanaky ny areti-mandringana mahazo ny firenena?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM