Maniraka ny mpianany i Jesoa

Mofonaina anio: Alarobia, faha 05 Mey 2021

MATIO 10 16-20

MATIO 10 16-20
16 Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan'ny amboadia*; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà** tahaka ny voromailala. [* lopa] [** Gr. aoka ho tsotra] 17 Ary mitandrema ianareo noho ny amin'ny olona; fa hatolony ho amin'ny Synedriona sy hokapohiny ao amin'ny synagogany ianareo; 18 ary ho entiny eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin'ny jentilisa. 19 Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin'izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; Fa homena anareo amin izany ora izany izay holazainareo. 20 Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo.

Maniraka ny mpianany i Jesoa

« Indro Izaho maniraka anareo… »

Jesoa no maniraka ny mpianany . Mila fiomanana ny iraka :

1-Tsy maintsy hisy ny fanoherana

Zavatra tokony ho efa ampoizin’izay rehetra manolo-tena hanara-dia an’i Jesoa Kristy ny fisian’ny fanoherana sy ny sakantsakana isankarazany ataon’ny fahavalo . Ny « amboadia  » ambara amin ‘ny endrika fanoharana eto dia ny Fariseo sasantsasany sy ny mpanapaka ny Synagoga ao an-toerana , ny Governora sy ireo mpanjaka izay tsy faly noho ny amin’ny hielezan’ny Filazantsara ka mitady izay fomba rehetra hiampangana sy hanenjehana ny mpianatry ny Tompo. Rehefa toriana amin’ny olona ny Filazantsaran’ny fahamarinana dia maro no hahatsiaro ho very tombontsoa ka mitady izay fomba rehetra hanakanana izany na dia hiafara amin ‘ny famonoana ho faty ny mpianatry ny Tompo aza . Mbola betsaka ireo mpitory Filazantsara iharan’ny fanenjehana toy izany. Tsarovy fa na Jesoa aza dia efa nenjehana ary tsy maintsy hihatra amin’izay Azy koa ny tahaka izany.

2- Araho ny toromarika .

Matetika isika no diso fandray ny amin’ny hoe: « aza manahy » . Izany mantsy dia tsy midika hoe : aza mihetsika na manohitra . Araho tsara ny Tenin’i Jesoa . Izy no maniraka (and 16). Nomeny ny toetsaina tokony hananana eo am-piatrehana ny fahavalo : « … Koa hendre tahaka ny menarana , ary mora tahaka ny voromailala » . Izany hoe: aoka hanana saina matsilo sy fetsy , nefa koa saina marina sy mora tsy misy fitaka. Ary ambonin’izany rehetra izany , angataho ny fitarihan’ny Fanahy Masina amin’izay teny rehetra havaly ireo fahavalo mpiampanga (and 20)

Fanontaniana :

Indraindray na matetika dia olona ao anatin’ny Fiangonana ihany no mitsangana ho mpanohitra ny Filazantsara . Nahoana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM