Jesoa irery no mitondra famonjena

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 03 Mey 2021

LIOKA 2.22-32

LIOKA 2.22-32
22 Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn'i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an'ny Tompo 23 araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masina ho an'i Jehovah. (Eks. 13. 2) 24 ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: domohina roa, na zana-boromailala roa (Lev. 12. 8). 25 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy. 26 Ary efa nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo. 27 Ary nentin'ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban'ny lalàna ny amin'ny zaza, 28 dia nitrotro Azy izy ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe: 29 Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana Araka ny teninao; 30 Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, 31 Izay namboarinao teo anatrehan'ny firenena rehetra, 32 Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.

Jesoa irery no mitondra famonjena

Tonga ny fotoana izay hitondrana an’i Jesoa zaza hatolotra ho an’ny Tompo araka ny lalàna. Niakatra ho any Jerosalema i Maria sy Josefa mba hanatanteraka izany niaraka tamin’ny fanatitra.

1-Ny Fanahy Masina no mitondra mankeo amin’i Jesoa

Rehefa tonga tao Jerosalema izy ireo dia nahita azy ny lehilahy nantsoina hoe : Simeona . Io lehilahy io dia voalaza fa olo-marina sady mpivavaka tsara (and 25) . Ny Fanahy Masina izay nitoetra tao amin’i Simeona dia efa nanambara taminy sy efa nampanantena azy fa tsy ho faty izy raha tsy mahita ilay Mesia avy amin’ny Tompo ( and 26) .Ary ny Fanahy Masina ihany koa no hitondra azy hiditra ao an-kianjan’ny Tempoly mba hahitany an’i Jesoa (and 27) . Araka izany dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fomba ahitana an’i Jesoa ny asan’ny Fanahy Masina . Izany no mahatonga antsika hangataka mandrakariva ny fitarihan’ny Fanahy Masina amin’ny zavatra rehetra izay hatao , indrindra amin’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra mba hahatakarantsika izay tena sitrapon’Andriamanitra ka hihaonana amin’i Jesoa Kristy .

2-Ho an’ny firenena rehetra ny famonjen’i Jesoa

 » Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Israely olonao » (and 32) . Ny fahatongavan’ny Mpamonjy dia fahasoavana lehibe ho an’ny olona rehetra, na Jentilisa na Jiosy . « Fahazavana » ho an’ny Jentilisa, satria nitoetra tao amin’ny aizim-pito mihitsy izy ireo , ka ny fahatongavan’i Jesoa no hampahazava azy , »Voninahitra ara-panahy » ho an’ny Jiosy , Voninahitra izay very teo aloha noho ny fandavany an’Andriamanitra , nefa ho azony indray amin’izao fahatongavan’ny Mesia izao raha manaiky Azy ireo . Tsy ho diso anjara amin’ny famonjeny isika !

Fanontaniana :

Ahoana no ahatsapana fa mitarika antsika ny Fanahy Masina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM