Maneho ny maha- mpiahy Azy ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 02 Mey 2021
DEOTERONOMIA 34.5-9
DEOTERONOMIA 34.5-9
5 Ary Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia maty teo amin'ny tany Moaba araka ny tenin'i Jehovah. 6 Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin'ny tany Moaba, tandrifin'i Beti-peora, izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany. 7 Efa roa-polo amby zato taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny. 8 Ary ny Zanak'Isiraely nisaona an'i Mosesy telo-polo andro teo Arbota-moaba; dia tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an'i Mosesy. 9 Ary Josoa, zanak'i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan'i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak'Isiraely ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.Maneho ny maha- mpiahy Azy ny Tompo
1-Maty i Mosesy
Na dia nahavita be sy nahery teo amin’ny asany aza i Mosesy , dia voafetra ihany ny androm-piainany . Mialohan’ny nahafatesany dia naseho ho tazany ny tany izay nampanantenain’Andriamanitra ny Israely . Efa roapolo amby zato taona izy vao maty . Voalaza fa tsy nisy olona nahalala ny fasany . Tsy mora ho an’ny zanak’Israely izao fahalasanan’i Mosesy izao ary izany no nahatonga azy ireo hisaona nandritra ny telopolo andro (and 8). Ny fotoana isarahana amin’ny hava-tiana na olona akaiky manoloana ny fahafatesana dia anisany mangidy indrindra . Voafetra ny andom-piainan’ny olona na soa na ratsy ny vitany teto an-tany . Raha mbola velona isika dia ataovy tsara ny fanompoana an’Andriamanitra mba hahatsiarovan’ny taranaka anao rahatrizay . « Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany , fa izay manao ny sitrapon’ Andriamanitra no maharitra mandrakizay » (1 Jao 2.17)
2-Mandimby azy i Josoa
Ny fanendren’ny Tompo an’i Josoa kosa dia mampiseho fa Andriamanitra no mpiahy ny Israely . Mitana ny teny nampanantenainy Izy . Ny olona tendreny dia mpitarika ihany , fa Izy no hampiditra ny olom-boafidiny any amin’ny tany Kanana. Mety handao ny olona , mety hisy fifindran-toerana ny mpitarika sy ny mpitondra fiangonana fa ny Tompo kosa dia mitoetra ho mpiahy ny Fiangonany . Jesoa dia efa nilaza hoe: « Tsy hamela anareo ho kamboty Aho , hankaty aminareo Aho » (Jao 14.18) . Tokony eken’ny Fiangonana ny fandaminana mikasika ny fifandimbiasan’ny mpitondra satria tsy ny olona mpitarika akory no ivavahana fa ny Tompo . Ny fanekena izany dia mariky ny fanekena ny fitarihan’ Andriamanitra ny Fiangonana.
Fanontaniana :
Nahoana no vitsy ny mpiangona rehefa tsy eo ny Mpitandrina ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM