I Kristy no mpisolo vava

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 29 Aprily 2021

1 JAONA 2.1-2

1 JAONA 2.1-2
1 Anaka, izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava* ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina; [* Gr. parakleto; izahao Jao. xiv. 16] 2 ary Izy no avotra* noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa. [* Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana; izahao Rom. iii, 25]

I Kristy no mpisolo vava

Ny mpino resy lahatra dia mieritreritra mandrakariva izay hialana amin’ny fahotana . Andriamanitra dia mazava ary tsy misy maizina akory ao Aminy . Tsy tanteraka anefa ny mpino fa mbola mahatsiaro fa mpanota . I Jaona dia manome toky fa manana mpisolovava isika dia :

1-Jesoa Kristy Ilay marina

I Jaona dia mampiasa ireo anarana entin’i Jesoa mba hisoloana vava ny mpino . Ny hoe : « Jesoa » dia mampahatsiahy fa olombelona ka afaka miombom-po amintsika . Ny hoe : « Kristy » kosa dia Izy no Ilay voahosotr’ Andriamanitra hiaro ny mpanota , ary « Ilay Marina » dia midika fa tsy mila mpisolovava isika , fa Izy no afaka hisolo tena ny hafa . Jesoa Kristy , Ilay Marina no mampiorina ny mino mba hananany faharetana ao amin’Andriamanitra . Aoka hiorina ao amin’i Jesoa Kristy ianao , fa Izy no Ilay « Marina » hisolo vava anao .

2-Izy no Avotra noho ny fahotantsika

Nahatran’i Jesoa tamin’ny tenany amin’ny maha- Avotra Azy ny famaizana vokatry ny fahotantsika. Ny hoe : « avotra » dia fanatitra fampitoniam-pahatezerana , satria tezitra amintsika Andriamanitra . Jesoa no nisolo voina antsika mba hampitony izany fahatezeran’Andriamanitra izany . Manafaka ny fahotantsika Izy . Jesoa no Avotra ho an’izao tontolo izao (and2) . Omena ho an’ny mino ny famelankeloka , sady raisin’ireo izay miverina ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny finoana . Izy no avotra noho ny fahotantsika . Miorena mafy amin’ny finoana , fa isika dia navotan’i Kristy tamin’ny Rany soa , ary Izy no mpisolovava antsika eo anatrehan’Andriamanitra Ray .

Fanontaniana :

Tsaroanao ve ny fanavotan’i Kristy teo amin’ny fiainanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM