Miorina ao amin’ny Tompo ny mino noho ny :

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 26 Aprily 2021

2 KORINTIANA 13.1-4

2 KORINTIANA 13.1-4
1 Izao no fanintelon'ny hankanesako at? aminareo. Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra (Deo. 19. 15). 2 Efa nambarako fahiny, sady milaza rahateo koa aho - toy ny nataoko fony mbola teo aminareo fanindroany ihany, ary ankehitriny raha tsy eo kosa - amin'izay nanota teo aloha sy amin'ny sisa rehetra, fa rehefa tonga indray aho, dia tsy hiantra, 3 satria ianareo mitady famantarana fa miteny ato anatiko Kristy, Izay tsy malemy aminareo, fa mahery ao aminareo kosa. 4 Fa voahombo tamin'ny hazo fijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin'Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao aminy, nefa hiara-belona aminy ho anareo izahay noho ny herin'Andriamanitra.

Miorina ao amin’ny Tompo ny mino noho ny :

1-Tenin’ny vavolombelona

Paoly Apostoly no manoratra ho an’ny Korintiana amin’ny alalan’izao fiverenany fanintelony any Korinto izao . Milaza amin’ny mpino izy noho ny amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo mba hanorenana mafy ny teny rehetra,izay nambara teo aloha . Mampahatsiahy izany izy ary miara-milaza ny ankehitriny koa. Jesoa dia naniraka vavolombelona izay nitondra ny teniny teo amintsika mba hiorenana amin’ny finoana . Ekeo àry ny tenin’ny vavolombelony , raiso ho anao , hiorenana amin’ny finoana , ary handraisana koa ny fanavotana ao Aminy . Mendrika ny hisitraka izany isika satria miorina ao Aminy noho ny tenin’ny vavolombelona .

2-Fahaveloman’i Kristy

Ambaran’ny mpanoratra eto ny amin’ i Paoly Apostoly fa na dia mpanota aza izy , nanana ny fahalemeny dia tonga mahery kosa noho ny fahaveloman’i Kristy ao anatiny . Kristy ekena dia hanana hery sy fahavononana hilaza amin’ny hafa , fa izay mino sy miorina ao amin’ny Tompo dia manana miaraka Aminy . Maty teo ambonin’ny hazo fijaliana Izy , noho ny fahotantsika dia fiainana sy fahavelomana ho an’izay mino fa fahadalana kosa ho an’izay very . Kristy no ivon’ny fiainantsika izay hanehoana koa ny finoana marina manoloana ny hafa . Meteza àry ho mpanompony dia hivelona sy hiaina miaraka amin’i Jesoa Kristy fa Izy no fahavelomantsika .

Fanontaniana :

Mba anisan’ny nanaiky ny tenin’ny vavolombelon’ny Tompo ve ianao sa nandà ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM