Ny tononkiram-panavotana

Mofonaina anio: Talata, faha 20 Aprily 2021

LIOKA 1.67-75

LIOKA 1.67-75
67 Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe: 68 Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy, 69 Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy 70 (Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola), 71 Dia famonjena antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika; 72 Manefa famindram-po amin'ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina, 73 Dia ny fianianana izay nianianany tamin'i Abrahama razantsika, 74 Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin'ny fahavalontsika isika, 75 Amin'ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika.

Ny tononkiram-panavotana

1-Feno fiderana an’ Andriamanitra

Ny tononkiran’i Zakaria , feno ny Fanahy Masina no ambaran’i Lioka amintsika amin’izao Soratra Masina izao .Hira feno fiderana an’Andriamanitra , tahaka ny hiran’i Maria izay voalaza ao amin’ny Lioka 1.46-56 . Andro lehibe ho an’Israely ny fahatongavan’i Jesoa , ka nahatonga izao hira fiderana izao . Ho antsika koa, izay nandray ny Fanahy Masina dia afaka manandratra ny hira feno fiderana an’Ilay Mpahary . Derao , asandrato ho avo ny Anarany Masina noho ny famonjena vitany teo amin’ny fiainam-pinoantsika . Ho feno fiderana azy anie ny androm-piainanao , ka hilaza sy hitaona ny hafa mba hiorenany ao amin’ny Tompo koa .

2-Ho fanavotana ny olona

Na dia teo ambany fahefan’ny fahavalo aza ny Israely ,Andriamanitra kosa dia nanatanteraka ny teniny , ka nanangana tandrom-pamonjena avy amin’ny taranak’i Davida dia Jesoa Kristy Mpamonjy , avotra ho an’ny maro. Famonjena ho antsika eo anatrehan’ny fahavalo sy izay mankahala antsika . Andriamanitra dia manatanteraka ny Teny fikasany amin’ny olony . Tsy mivadika Izy sy miaro ary mampandresy ny mpanompony . Koa meteza ianao hiorina satria efa navotany tamin’ny alalan’ i Jesoa Kristy , izay fanavotana ho an’ny olona rehetra .

Fanontaniana:

Afaka midera an’ Andriamanitra avokoa ve ny olona rehetra sa izay navotany ihany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM