Mampiorina ny mino ny fanavotana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 19 Aprily 2021

1 TIMOTY 2.1-7

1 TIMOTY 2.1-7
1 [Ny amin'ny fivavahana ho an'ny olona rehetra, ary ny fitondran-tena sy ny fitafiana miendrika ny vehivavy Kristiana] Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra, 2 ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra. 3 Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, 4 Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina. 5 Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, 6 sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao. 7 Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin'ny finoana sy ny fahamarinana.

Mampiorina ny mino ny fanavotana

1-Iray ny mpanalalana…Kristy Jesoa ( and 5)

Ny mpanoratra Dia manambara amintsika fa ny hany hahafahantsika manatona an’ Andriamanitra eo amin’ny seza fiandrianan’ ny fahasoavany dia tsy misy afa-tsy amin’ ny alalan’ i Jeso Kristy . Izy no mpanalalana sy mpisorona ho antsika ( Heb 4.14-16) . Izy no mifona ho antsika eo an-tanan’ ankavanan’ Andriamanitra Ray . Ny fanavotan’ i Kristy ny mino no handraisany ny famonjena sy ny famindrampo.Izy no mpanalalana.Koa miorena tsara amin’ ny finoana noho ny fanavotana .Raiso Izy ho Tompon’ ny fiainanao .Fa hoy Soratra Masina :  » Izaho no lalàna sy fahamarinana ary Fiainana.Tsy misy olona mankany amin’ ny Ray afa-tsy amin’ ny alalany » (Jao 14.6)

2- Izy no avotra hisolo ny maro ( and 6)

Ny hoe: avotra dia misy hevitra hoe : vola na zavatra’ efaina ho tambin’ny fahafahana . Ny asa fanavotan’ i Kristy dia ny fahafatesana mihitsy no nanefany ny fanafahana ho avotra hisolo ny maro , ho afaka amin’ ny fahefan’ ny ota. Kristy no lalàna mankany amin’ ny Ray ho lalam-pamonjena ho antsika mpino (Jao 14.6/ Asa 4.12) .Omena maimaimpoana izany ao amin’ i Jeso Kristy (Rom 3.24) miorina amin’ ny fahafatesany (Rom 3.25/5.8) sy ny fitsanganany tamin’ ny Maty . Mahalala antsika Izy ary manaiky hitovy amintsika . Ny maha-olona an’ i Kristy no nahafahany nanefa ny sandan’ ny fanavotana antsika. I Jesoa Kristy,Ilay Zanak’Andriamanitra no avotra ho ahy sy ho anao. Mifalia fa efa olom-boavotra ianao rehefa nandray an’i Jeso ho Tompo sy Mpamonjinao . Ankalazao ny Anarany Masina.

Fanontaniana :

Mahatsiaro ve ianao fa olona efa navotan’ i Kristy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM