Jehovah manorina indray

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 15 Aprily 2021
Obadia 1,17 - 21
17 Fa ao an-tendrombohitra Ziona dia hisy izay sisa afaka, Ary ho masina izy; Ary ny taranak'i Jakoba hahalasa ny fananany. 18 Ny taranak'i Jakoba ho afo, Ary ny taranak'i Josefa ho lelafo, Fa ny taranak'i Esao kosa ho vodivary, Ary harehitr'ireny izy ka holevoniny; Ary tsy hisy sisa afaka ny taranak'i Esao, Fa Jehovah no efa niteny. 19 Ny any amin'ny tany atsimo no hahalasa ny tendrombohitr'i Esao;Ary ny any amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka* no hahalasa ny Filistina; Hahalasa ny tanin'ny Efraima sy ny tany Samaria izy; Ary Benjamina hahalasa an'i Gileada. [Heb. sefela] 20 Ary ny babo amin'izao Zanak'Isiraely maro be izao hahalasa ny Kananita hatrany Zarefata, Ary ny babo* tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahalasa ny tanàna any amin'ny tany atsimo. [Na: marobe izao, izay any amin'ny Kananita hatrany Zerefata, sy ny babo, etc..] 21 Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr'i Esao; Ary ho an'i Jehovah Jon 1:1

Jehovah manorina indray

1-Manorina izay efa rava

Avahan’Andriamanitra ny olony ary hanehoany ny heriny sy ny fahefany . Izany no ambarany amin’ny fahamasinan’ny tendrombohitra Ziona . Atokan’Andriamanitra ho azy ny olona navahany sy nesoriny avy ao anaty fahoriana. Andriamanitra miandany amin’ny mpanompony sy ny olony . Tsy mamela irery Izy fa mandray andraikitra sy mandrava ny fahavalo (Lio 18.7) . Isika izay miandrandra famonjena ka manantena ny hanorina fiainam-baovao ao amin’ny Tompo dia tsy maintsy mahafoy izao tontolo izao mba hahazo ny fiadanan’Andriamanitra. Fa fiainana no sitraky ny Tompo ho antsika izay efa rava sy potiky ny fahotana (Jao 10.10)

2-Manolotra Mpamonjy

« Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona hitsara ny tendrombohitr’i Esao  » . Araka izany dia hiseho ny fitsarana ataon’Andriamanitra amin’ny fahavalon’Israely . Tsy sitrak’Andriamanitra fa mahatezitra Azy ny faharatsian’ny olona . Ary na dia ankehitriny aza dia mbola betsaka ny mitoetra amin’ny faharatsiana sy ny tsy fahamarinana. Asongadin’izao hafatra izao fa tsy maintsy voaheloka ny mpanao ratsy ary Andriamanitra dia mitoetra ho mahatoky eo anoloan’ny olony . Ny tanjon’Andriamanitra dia ny hamerina ny fanjakany . Izany no hanolorany Ilay Mpamonjy hiakatra ao an-tendrombohitra Ziona . Moa tsy toy izany koa va no ataon’Andriamanitra amintsika ?

Fanontaniana :

Efa nandray ny fanavaozan’Andriamanitra ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM