Ny olona miorina amin’ny finoana
Mofonaina anio: Talata, faha 13 Aprily 2021
SALAMO 71.20-24
SALAMO 71.20-24
20 Hianao Izay nampahita ahy* fahoriana be sady mafy no hamelona ahy* indray, ka hampiakatra ahy* indray hiala amin'ny fitoerana lalina amin'ny tany.[Na: anay] 21 Ampitomboy ny voninahitro, ary aoka hampionona ahy indray Hianao. 22 Izaho kosa hidera Anao amin'ny valiha, dia ny fahamarinanao, Andriamanitro; hankalaza Anao amin'ny lokanga aho, ry Iray Masin'ny Isiraely ô. 23 Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao; ny fanahiko koa izay efa navotanao; 24 Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy.Ny olona miorina amin’ny finoana
Vavaka nataon’olona iray efa antitra ity Salamo ity. Olona izay tao anatin’ny olana ary nitady ny famonjen’Andriamanitra hanafaka azy amin’ny fahavalony sy ny fahoriany .
1-Mijery amin’ny masom-pamonjena
Asehon’ity mpanoratra ny salamo ity ny fiderana an’Andriamanitra . Eo amin’ny and 19 dia manontany izy hoe : « Iza no tahaka anao ? » ary ny valiteny nambarany dia mampiseho fa olona nampahitana fahoriana izy . Fa raha milaza izany izay dia manambara ihany koa avy eo fa Andriamanitra ihany no hamelona azy (and 20) . Ny olona mino dia mahita fanavotana ao anaty fahoriana , mahita famonjena ao anaty fahasahiranana . Ary izany no tsy hahalatsaka azy amin’ny fanomezan-tsiny an’Andriamanitra (vakio Rom 5.8)
2-Midera mandrakariva
Fanantenana anaty fahoriana . Tsy nampiova hevitra ny mpanao salamo ireo zava-nanjo azy . Nidera toy ny olona voavonjy izy ka tsy hita izay alom-pahoriana nanjo azy .Ary tsy nijanona tamin’ny fiderana izy fa notohizany tamin’ny fanolorantena izany . Ny fitoriana ny fahamarinan’Andriamanitra no safidy nataon’ity mpanao salamo ity . Ny olona miorina amin’ny finoana dia mampiseho izany fiorenam-pinoany izany amin’ny fiderana sy ny fanolorantena maharitra . Hoy i Paoly : « Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo , hoy izaho indray : mifalia » (Fil 4.4) . Fa inona kosa moa no antony hiderana anaty fahoriana ? Raha ekentsika fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra , dia natao indrindra ny fahoriana hitaizan’ny Tompo antsika (Heb 12.7 / Sal 119.71)
Fanontaniana :
Ekenao ve ny hifaly ao anaty fahoriana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM