Mpanavotra azo hanorenana finoana i Jesoa

Mofonaina anio: Alahady, faha 11 Aprily 2021

ROTA 4.1-12

ROTA 4.1-12
1 [Ny nampakaran'i Boaza an'i Rota, sy ny nahaterahan'i Obeda, ary ny filazam-pirazanana hatramin'i Fareza ka hatramin'i Davida] Ary rehefa tafakatra teo am-bavahady Boaza ka nipetraka teo, dia, indro, nandalo ilay havana mahavotra voalazany, dia hoy Boaza: Ranona iry ô! maitia kely ange; mipetraha eto. Dia nanatona izy ka nipetraka. 2 Dia naka folo lahy tamin'ny loholona tao an-tanàna Boaza ka nanao hoe: Mipetraha eto ianareo. Dia nipetraka ireo. 3 Dia niteny tamin'Ilay havana akaiky izy ka nanao hoe: Naomy, izay niverina avy tany amin'ny tany Moaba, dia mivarotra ny tany izay an'i Elimeleka rahalahintsika. 4 Ary izaho nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan'izay mipetraka eto sy eto anatrehan'ny loholona amin'ny fireneko izany. Raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tàhiny tsy hanavotra ianao, dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Hanavotra ihany aho. 5 Dia hoy Boaza: Amin'izay andro ividiananao ny tany amin'ny tànan'i Naomy, dia amin'i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin'ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran'ny maty ao amin'ny lovany ianao. 6 Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an'ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho. 7 Ary ny amin'ny fanavotana sy ny fanakalozana teo amin'ny Isiraely fahiny hahamafy ny teny rehetra dia izao: nesorin'ny lehilahy ny kirarony ka nomeny ho an'ny namany; dia vavolombelona teo amin'ny Isiraely izany. 8 Ary hoy ilay havana mahavotra tamin'i Boaza: Vidio ho anao izany. Dia nanaisotra ny kirarony izy. 9 Ary hoy Boaza tamin'ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Hianareo no vavolombelona androany fa efa novidiko tamin'ny tànan'i Naomy izay rehetra an'i Elimeleka sy izay rehetra an'i Kiliona sy Malona. 10 Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin'i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran'ny maty ao amin'ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran'ny maty eo amin'ny rahalahiny sy eo amin'ny vavahadin'ny fonenany; ianareo no vavolombelona androany. 11 Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin'ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon'i Jehovah tahaka an'i Rahely sy tahaka an'i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon'ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao; 12 ary ho tahaka ny taranak'i Fareza, izay naterak'i Tamara tamin'i Joda, anie ny taranakao avy amin'ny zanaka izay homen'i Jehovah anao amin'ity vehivavy ity.

Mpanavotra azo hanorenana finoana i Jesoa

1-Satria voavidiny isika

Ny fanamabadian’i Boaza an’i Rota dia midika fitahirizany ny anaran’i Elimeleka , ilay vadin’i Naomy (and10). Tahaka izany fanavotan’i Boaza izany no fanavotan’Andriamanitra antsika ihany koa . Isika izay efa tsinotsinona rahateo noho ny fahotantsika. Kristy nividy antsika tamin’ny alalan’n Rany ary izany ny fototry ny fanavotany antsika ka nahatonga antsika hahazo fiainana vaovao ary tsy haringana ihany koa isika na dia tokony ho faty aza noho ny fahotantsika (1 Pet 1.19)

2- Nataony mpandova isika

Hitantsika eto fa navotan’i Boaza ny fananana rehetra namidin’i Naomy ary naveriny tamin’ny taranak’i Elimeleka (and9). Dia tsy hafa amin’izany koa ny fanavotan’i Kristy antsika rehetra . Nataony ho isan’ny mpandova ihany koa isika , mpandova ao amin’ny fiainana mandrakizay . Satria tonga zanany isika noho ilay zanany nanavotra antsika (Rom 8.17) . Tsy mba misy avy amintsika akory izany rehetra izany fa avy amin’Andriamanitra tokoa .

Fanontaniana:

Tsaroanao ve ny fidiran’Andriamanitra an-tsehatra teo amin’ny fiainanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM