Mahaiza misafidy  ny lalàm-pamonjena

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 08 Aprily 2021

GALATIANA 3.10-14

GALATIANA 3.10-14
10 Fa izay rehetra amin'ny asan'ny lalàna dia eo ambanin'ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna (Deo. 27. 26). 11 Ary hita marimarina fa amin'ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra ; fa ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Hab. 2. 4). [* Na: ny marina ho velon'ny finoana] 12 Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy (Lev. 18. 5). 13 Kristy nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe : Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo (Deo. 21. 23), 14 mba ho tonga amin'ny jentilisa ny fitahiana an'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin'ny finoana ny teny fikasana ny amin'ny Fanahy.

Mahaiza misafidy  ny lalàm-pamonjena

Lalàna roa asehon’i Paoly

1-Mankato  tanteraka ny  lalàna

Raha  misafidy  ny hanaraka ny lalàna ianao  dia tsy  mana-tsafidy  fa tsy  maintsy  mahatanteraka  azy  manontolo  (Jak 2.10) . Koa  ireo  izay te- hohamarinina amin’ny fanarahana ny  lalàna dia tsy  hahomby na oviana na oviana . Ary hiharan’ny  ozona araka ny voalaza hoe : «  Hozonina izay tsy mankato  ny tenin’ity  lalàna ity , ary  ny vahoaka rehetra hanao hoe :  Amena » (Deo 27.26) . I Paoly  eto dia manasongadina izany fa raha ny amin’ny lalàna dia tsy misy olona  hamarininareo anatrehan’Andriamanitra . Matetika anefa isika dia mamorona izao lalàna samihafa izao rehefa tonga ho kristiana ary manameloka ny hafa izay tsy manaraka izany lalàna apetratsika izany.

2-Miaina amin’ny finoana

Ny safidy faharoa dia ny fiainana amin’ny finoana  araka  ny and 11. Jesoa Kristy  dia efa voaozona mba ho famonjena antsika . Ary satria voaozona Izy , isika kosa izany  no nohamarinina maimaimpoana noho ny amin’i Jesoa  Kristy . Raha tsy nisy  ny fiaretana ny ozona nataon’i Jesoa  izay  tokony ho antsika dia tsy  mba ho velona  tahaka izao isika . Jesoa  nandray  ny ozona  izay anjarantsika  no  mahamarina  antsika izay mino  Azy   . Tsy  azontsika ho azy  araka  izany  ny fanamarinana eo anatrehan’Andriamanitra fa tsy maintsy  mino  aloha isika , mino  ny zanany  malalany  izay nataony  ho  amin’ny  fanozonana ho  famonjena antsika (Jao  3.36)

Fanontaniana :

Efa vita ve ny safidinao  amin’izay  làlana alehanao ?

Sampana  Sekoly Alahady FOIBE FJKM