Ny olona mila vonjy amin’ny Tompo

Mofonaina anio: Talata, faha 30 Martsa 2021

SALAMO 17.1-12

SALAMO 17.1-12
1 [Fivavaky ny ory mba hovonjen'Andriamanitra tsy ho azon'ny hery sy ny reharehan'ny fahavalony] Fivavak'i Davida. Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin'ny fivavako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka. 2 Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina. 3 Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin'ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro*. [Na: fa tsy nahita hevi-dratsy; Tsy ho diso ny vavako na: Mikasa tsy hampanota ny vavako aho] 4 Ny amin'ny asan'ny olona, dia ny tenin'ny molotrao no nitandremako tsy ho amin'ny lalan'ny mpanao an-keriny. 5 Ny diako maharitra eo amin'ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro. 6 Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko. 7 Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin'ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon'ny fahavalo. 8 Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin'ny aloky ny elatrao, 9 Mba tsy ho azon'ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy. 10 Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany. 11 Manodidina anay* amin'ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin'ny tany izahay;[Na: Ahy] 12 Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena.

Ny olona mila vonjy amin’ny Tompo

Isan’ny vavaka manokana ataon’ny mila vonjy amin’Andriamanitra ity Salamo ity . I Davida no voalaza ho nanao izany , ka rehefa miresaka hoe Davida dia ny fifandraisany tamin’Andriamanitra no zava-dehibe amin’izany , satria isan’ny olona tanteraka indrindra izy teo amin’izany fifandraisana tamin’Andriamanitra izany .

Koa ny olona mila vonjy amin’Andriamanitra dia

1-Voasedra aloha :

Heverin’ny maro angamba fa mandeha ho azy ny fitalahoana sy fangataham-bonjy amin’Andriamanitra nefa na dia be fitiavana sy be fahari-po tokoa aza Izy dia misy zavatra takiany amin’ny olona mila vonjy Aminy :

-Tokony tsy hisy fitaka aloha ny molotra , izany hoe : tsy mihatsaravelatsihy ka hafa no tenenin’ny molotra , nefa hafa no ataon’ny tànana na eritreretina .

-Nozahana toetra tamin’ny memy : ny volafotsy , ny volamena no ampandalovina amin’ny memy na afo mba hahafantarana azy ho tena izy fa tsy sandoka . I Davida eto dia miteny fa mampandalo zavatra sarotra ny olona koa Andriamanitra mba hahitana raha tena olon’Andriamanitra tokoa ny olona iray , izany hoe : maharitra eo amin’ny lalany , manaiky sy mino Azy , marina sy madio eo anatrehan’Andriamanitra .

Ny olona mila vonjy Aminy koa dia mialoka Aminy tanteraka , izany hoe: mialoka eo ambany elany , tahaka ny ataon’ny reniakoho amin’ny zanany , ka na dia mafy aza ny afitsoky ny fahavalo dia resy lahatra sy matoky ny fiarovany .

Fanontaniana :

Rehefa misy zavatra manjo anao , aiza na iza no ilanao vonjy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM