Ny fiakaran’i Jesoa tany Jerosalema
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 29 Martsa 2021
MATIO 21.1-10
MATIO 21.1-10
1 Ary raha nanakaiky an'i Jerosalema izy ka tonga tao Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka nanao taminy hoe: 2 Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin'izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy ianareo; vahao izy, dia ento et? amiko. 3 Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin'izay izy. 4 Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: 5 Lazao amin'i Ziona zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina boriky, Dia zanaky ny boriky miasa* (Zak. 9. 9).[*Gr. mitondra zioga] 6 Ary dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nandidian'i Jesosy azy, 7 dia nentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia nitaingina azy. 8 Ary ny ankabiazan'ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dalana koa izany. 9 Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana* ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana* any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26).[*Hosana = vonjeo re!] 10 Ary nony efa tafiditra tany Jerosalema Izy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe: Iza moa izao?Ny fiakaran’i Jesoa tany Jerosalema
Hiditra an’i Jerosalema i Jesoa Kristy ary haneho amin’ny olona fa Izy no Ilay Mpanjaka araka ny voalazan’ny Soratra masina . Misy fanontaniana izany anefa mba hahatanteraka ny faneken’ny olona ny maha- mpanjaka Azy tokoa . Hitan’ny olona teo hatrany mantsy Izy tamin’ny maha-olona Azy ka sarotra ihany ny handresy lahatra ny olona hoe: io indray no Ilay Mpanjaka (Jao 6.42) . Indro .Izy naniraka ny mpianany ka nanome ny toromarika hahatanteraka izany fidirana any Jerosalema izany ho araka izay nambaran’ny mpaminany ( Zak 9.9).
2-Ny fidirana ( and 6-9)
Rehefa nitaingina ny boriky i Jesoa ary nandeha hiditra an’i Jerosalema dia indreo ny olona namelatra ny lambany teny amin’ny làlana handehanan’i Jesoa . Nisy koa ireo nanapaka rantsankazo ka nahahany teny an-dàlana izany ary indreo koa izy rehetra nanao hiakam-pifaliana nihoby sy nankalaza Azy . Izany toe-javatra izany dia fanao ankehitriny amin’ny manam-pahefana ambony eo amin’ny tany sy ny firenena izay hanehoana fa tena Mpanjaka Izy .
3-Ny nataon’ny olona noho izany (and 10-11)
Rehefa niditra an’i Jerosalema indrindra Izy dia nihorakoraka ny tanàna rehetra . Ny matoanteny ampiasaina amin’ny hoe : mihorakoraka dia ampiasaina indrindra rehefa misy horohorontany mafy ( Mat 27.51 / 28.2) . Azo lazaina koa fa nitovy ny nisy tao Jerosalema tamin’ny fahaterahany ( Mat 2.3) sy ny fanehoana ny maha- Mpanjaka Azy eto .
Fanontaniana :
Mba mihorakoraka koa ve ianao raha mahatsiaro ny fidiran’i Jesoa tao Jerosalema isika ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM