Mendrika hoderaina Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 22 Martsa 2021
SALAMO 66.8-12
SALAMO 66.8-12
8 Misaora an'Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy, 9 Izay mampitoetra ny fanahintsika amin'ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo. 10 Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin'ny memy. 11 Efa nampiditra anay tamin'ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao. 12 Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin'ny fitahiana mahatretrika Hianao.Mendrika hoderaina Andriamanitra
Mitaona ny olona rehetra ao amin’ny firenena hidera sy hisaotra ary hankalaza an’ Andriamanitra ny mpanao salamo , satria Andriamanitra tena mendrika izany indrindra Izy . Mahagaga ny fitondrany ny olona ary tsy manavaka na iza na iza Izy ka resy lahatra amin’izany ny mpanao salamo . Vavolombelon’ny fahatsaran’ny Tompo izay nihevitra mandrakariva ny olony sy ny heriny Tsitoha i Israely araka ny fahitan’ny mpanao salamo azy . Niaro sy nanavotra ary nanome vahaolana ny olony hatrany mantsy Izy na dia teo tokoa aza ny fitsapana miseho tamin’ny endrika maro samihafa araka ny tenin’i Jesoa Kristy (Mar 24.21-22) . Manoloana ny fisedrana mafy dia mafy manjo ny olon’Andriamanitra , araka izay avoitran »ny mpanao salamo eto : fandrika harato nanisy enta-mavesatra naniraka olona hanao tsinontsinona namaky ny afo sy rano . Na dia izany aza anefa dia tsy ho ritra akory ny olon’Andriamanitra fa hisy sisa hitoetra hatrany satria Andriamanitra dia mihevitra sy manasoa ny olona (Isa 6.13)
Mipololotra avy ao am-pon’ny olom-boavotra . araka izany ny fiderana an’Andriamanitra, satria mahatsiaro izy ireo fa tsy miova velively ny fitiavan’ny Tompo ny olony sy ny fiheverany izay hahasoa azy ireo manoloana ny fisedrana azy. Mariho tsara mantsy fa raha ny fitanisana ny zava-nanjo sarotra sy mafy eto dia tsy mifandanja velively amin’ny valisoa ambara akory , kanefa resy lahatra ny mpanao salamo fa mavesa-danja ary miavaka indrindra ny fitondran’ny Tompo ho amin’ny fitahiana mahatretrika .
Fanontaniana :
Mbola marina ve aminao fa mizaha toetra ny olony ny Tompo ary mitondra azy ho amin’ny fitahiana mahatretrika indray avy eo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM