Ny tanjon’ny fizahan-toetra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 15 Martsa 2021
JAKOBA 1.1-18
JAKOBA 1.1-18
1 [Ny amin'ny fakam-panahy, sy ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra] Jakoba, mpanompon'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin'ny folo monina any am-pielezana. 2 Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy* samy hafa ianareo, [* Na: fizahan-toetra] 3 satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana. 4 Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona. 5 Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena*, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. [* Na: kely fahendrena] 6 Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany. 7 Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany: 8 olona miroa saina izy, miovaova amin'ny alehany rehetra. 9 Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany; 10 fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin'ny ahitra izy. 11 Fa miposaka ny masoandro mbamin'ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon'ny manan-karena amin'ny alehany. 12 Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy. 13 Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy; 14 fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin'ny filany sy fitahiny izy. 15 Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana. 16 Aza mety hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako. 17 Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin'ny Rain'ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana. 18 Tamin'ny sitrapony no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.Ny tanjon’ny fizahan-toetra
Rehefa nanoratra ho an’ny Fiangonana i Jakoba ho fampaherezana azy ireo dia nanoratra ny tanjon’ny fizahan-toetra ataon’Andriamanitra amin’ny Fiangonana sy ny kristiana . Zava- mahasoa ny kristiana sy ny Fiangonana ny fizahan-toetra . Amin’ i Jakoba dia :
1- Mahatonga faharetana ( and 2-4)
Tonga maharitra amin’ny finoana amin’ny fiainana ny maha- kristiana ny mino rehefa nandalo fizahan-toetra . Rehefa maharitra izy dia tonga ohatra ho an’ny kristiana hafa . Tonga ohatra alain-tahaka , indrindra eo amin’ny fiainana ny maha- kristiana . I Jesoa teto amin’izao tontolo izao dia niharan’ny fizahan-toetra , tonga ohatra velona ho an’ny kristiana sy ny Fiangonana Izy , indrindra teo amin’ny fiainana maha-kristiana .
2-Handraisana satroboninahitra (and 12)
Izay naharitra tamin’ny fizahan-toetra , tsy miala amin’ny finoana fa mifikitra amin’Andriamanitra dia hahazo satroboninahitra . Valisoa ho an’izay naharitra tamin’ny finoana sy ny Filazantsara ny satroboninahitra . Mazava izay nolazain’i Jaona hoe : » Aza matahotra izay efa hiaretanareo , indro ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina mba ho voazaha toetra hianareo , ary hanam-pahoriana hafoloana . Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao , dia omeko anao ny satroboninahitra fiainana » Apok 2.10 . Tsy ny olona rehetra araka izany no hosatrohana satroboninahitra sy hahazo valim-pitia . Izay tsy niala tamin’Andriamanitra ihany na dia niharan’ny fizahan-toetra mahamay aza .
Fanontaniana :
Amin’ny lafiny inona avy no mahatsara ny hizahan’Andriamanitra toetra antsika ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM