Andriamanitra mizaha toetra ny Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 13 Martsa 2021

MPITSARA 3.1-5

MPITSARA 3.1-5
1 Ary ny firenena navelan'i Jehovah ho entiny mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana, 2 mba ho fantatry ny taranaky ny Zanak'Isiraely izany amin'ny hampianarany azy hiady, indrindra fa izay tsy mbola nahalala izany akory teo aloha; 3 dia ireo andriana dimy tamin'ny Filistina sy ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny Hivita, izay nonina tany an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin'i Bala-hermona ka hatramin'ny lalana mankany Hamata. 4 Ary nentina hizaha toetra ny Isiraely ireo mba hahalalana na hihaino ny didin'i Jehovah, izay nasainy nandidian'i Mosesy ny razany, izy, na tsia. 5 Ary ny Zanak'Isiraely nonina teo amin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.

Andriamanitra mizaha toetra ny Tompo

Anisan’ny mahaliana ny mpandinika haifiaraha-monina maro ny fIfandraisan’Andriamanitra tamin’ny vahoaka Israely . Fifandraisana miavaka tokoa izany .Ny Tompo Andriamanitry ny Israely no mizaha toetra ka :

1-Mampiasa ny firenena manodidina (and 1)

Ny fampiasan’ Andriamanitra ny firenena manodidina ny zanak’Israely dia filazana amintsika ankehitriny , fa na dia Jentilisa aza ireo firenena ireo dia eo ambany fahefan’ Andriamanitra tanteraka. Azon’Andriamanitra atao tsara koa ny mizaha toetra ny vahoakany fa fahefany izany .Ary io fizahan-toetra ataony io dia enti-manatsara mandrakariva ny fifandraisany amin’ny vahoakany .Misy tranga , hery sy fahefana samihafa eto amin’izao tontolo izao ampiasain’Andriamanitra hizahan-toetra ny vahoakany .

2-Mijery ny firaiketam-po Aminy (and 4)

Ny tanjon’ny fizahan-toetra dia ny fijeren’Andriamanitra ny firaiketam-pon’ny vahoakan’Andriamanitra na mifikitra Aminy sy ny teniny na tsia ny vahoakany .Amin’ny fotoana hizahan’Andriamanitra toetra antsika dia tsarovy fa mijery ny fifikirantsika Aminy na tsia Andriamanitra . Fotoana mety araka izany ny fotoan’ny fizahan-toetra hanehoana amin’Andriamanitra fa mifikitra Aminy tanteraka isika .Fotoana fanaporofoana amin’ Andriamanitra ny fitiavana Azy ny fotoan-tsarotra lalovana amin’ny fizahan-toetra . Tsy fotoan’ny fanomezan-tsiny ny fizahan-toetra fa fanaporofoana ny fitiavantsika an’Andriamanitra .

Fanontaniana :

Nahoana no manome tsiny an’Andriamanitra ny olona amin’ny fotoana hizahan’Andriamanitra toetra azy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM