Nozahan-toetra nefa mbola mankato ihany
Mofonaina anio: Zoma, faha 12 Martsa 2021
HEBREO 11.17-19
HEBREO 11.17-19
17 Finoana no nanateran i Abrahama an'isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy tokana no naterin'ilay efa nandray tsara ny teny fikasana, 18 dia ilay nilazana hoe: "Avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao" (Gen. 21.12). 19 Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin'izany no nandraisany azy.Nozahan-toetra nefa mbola mankato ihany
Raha miresaka fizahan-toetra ny mpanoratra ny bokin’ny Hebreo dia Abrahama no resahiny . Ny fizahan-toetra an’i Abrahama mantsy dia :
1-Tsy zavatra mora
Ilay zanaka efa nandrasana an-taonany maro . Ilay hany valim-bavaka efa nandrasana ela no notakian’ Andriamanitra atao fanatitra indray. Asehon’ny tantara amintsika fa misy fotoana mitaky zavatra mafy amin’ny mpanompony ny Tompo . Fizahan-toetra mahamay izany araka ny nambaran’i Apostoly Petera . Amin’ny maha-olombelona dia mafy tokoa izany , ary mety tsy hahavita tahaka an’i Abrahama, izay nankato noho ny fatokiany an’Andriamanitra izay nanome azy an’i Isaka .Tsy zava-mora indraindray ny manaiky sy mankato ny Tenin’Andriamanitra. Azo atao tsara anefa izany araka ny ohatra nomen’i Abrahama.
2-Nanehoany ny fankatoavany ny Tompo
Na dia mafy tamin’i Abrahama aza ny fizahan-toetra nahazo azy, ka nahavoatery azy hahafoy ny zanany izay tiany .Nasehon’Andriamanitra tamin’i Abrahama fa lehibe lavitra noho ny fitiavan-janaka ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra . Lehilahy natoky an’Andriamanitra rahateo koa anefa i Abrahama.Raha izany no takin’Andriamanitra taminy dia fantany fa misy antony ao Fantany fa hain’Andriamanitra ny manolotra sy manome izay tsara lavitra ho azy . Io fatokiany an’ Andriamanitra io no tsy nampisalasala azy hankato ny Tenin’ny Tompo
Fanontaniana :
Ahoana no ilazana fa lehibe mihoatra noho ny fitiavan-janaka ny fankatoavana ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM.