Fizahan-toetra tsy hanomezan-tsiny ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 11 Martsa 2021

JOBA 1.13-22

JOBA 1.13-22
13 Ary tamin'ny indray andro dia nihinana sy nisotro divay teo an-tranon'ny zokiny lahimatoa ny zananilahy sy ny zananivavy; 14 ary nisy iraka tonga tany amin'i Joba ka nanao hoe: Ny omby niasa, ary ny borikivavy nandrasana teo anilany, 15 dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao. 16 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon'Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman'osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao. 17 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao. 18 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny zokiny lahimatoa; 19 ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin'ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao. 20 Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny tany ka niankohoka 21 sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i Jehovah 22 Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an'Andriamanitra.

Fizahan-toetra tsy hanomezan-tsiny ny Tompo

Raha vao miresaka fizahan-toetra isika dia anisan’izay ampianarin’ny Fiangonana ny an’i Joba . Noho ny fahamarinana dia nitondra ny mafy sy ny mangidy indrindra izy . Na dia teo aza anefa izany fitondrana ny mafy sy ny mangidy izany dia ambara eo am-pamaranana ny tantara fa tsy nanome tsiny an’Andriamanitra i Joba . Ny fizahan-toetra nahazo an’i Joba mantsy dia :

1-Nahafoizany ny sarobidy

Noho ny fizahan-toetra nahazo an’i Joba dia :

-Fongana ny harenany : tonga olo-mahantra izy

-Maty avokoa ny zanany rehetra

Asehon’ny tantara fa amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra dia mety hiharan’ny mafy tsy azo eritreretina isika . Mety miseho amintsika avokoa ireo karazana olana samihafa izay mitarika antsika ho any amin’ny fahantrana. Moa ny soa ihany tokoa va no ho azo avy amin’ Andriamanitra , misy fotoana eken’ Andriamanitra ny hitondrantsika izay mafy sy mangidy ho fanehoany amin’i satana fa tsara fifandraisana Aminy isika .

2-Naneho ny maha-mpanompon’Andriamanitra

Ny fiaretan’i Joba izay nanjo azy , ny fanekeny ny hizaka ny mangidy sy ny mafy dia naneho tamintsika mpamaky ny toe-po amam-panahin’i Joba . Ilay fahamarinany dia tsy zavatra noteneniny fotsiny , fa tena nasehony teo amin’ny tantara . Hay , amin’ny fotoanan’ny fizahan-toetra no tena mila aseho ho hita ny tena maha-kristiana antsika araka izao tantara izao . Amin’ny fotoan-tsarotra no hisehoan’ny tena maha-kristiana antsika .

Fanontaniana :

Inona no antony tsy heken’ny olona ny fizahan-toetra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM