Ny fizahan-toetra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 06 Martsa 2021

I Petera 4.12-19

I Petera 4.12-19
12 [Fananarana mba hiaritra, raha enjehina noho ny fahamarinana] Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany, 13 fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa. 14 Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran'i Kristy, fa ny Fanahin'ny voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, mipetraka ao aminareo. 15 Fa aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an'olona. 16 Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an'Andriamanitra amin'izany anarana izany izy. 17 Fa tonga ny andro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan*'Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy manaiky ny filazantsaran'Andriamanitra? [* Gr. tranony] 18 Ary "raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan ny ratsy fanahy sy sy ny mpanota? (Oha 11. 31). 19 Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an'ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.

Ny fizahan-toetra

Ho fampaherezana ireo Kristiana niely no nanoratan’i Petera Epistily. Nilain’ireo Kristiana niely mantsy izany fampaherezana izany, indrindra moa raha noho ny fanenjehana no nahatonga ny fielezana. Ho an’i Petera ny fizahan-toetra dia :

  • Mampiombona amin’i Kristy (and 12, 13)
  • Mahamay araka izay nanoratan’i Petera azy ny fizahan-toetra. Ny hoe mahamay dia entina milaza ny hamafin’izany fizahan-toetra izany. Milaza amintsika izay mamaky ankehitriny fa tsy zavatra mora izany. Na dia eo aza anefa izay mety  hamafin’ny fizahan-toetra, ny tena zava-dehibe dia ny mahafantatra fa mampiombona amin’i Kristy izy. Te hampianatra izay mamaky i Petera mba hiombona amin’i Kristy ao anatin’izay fizahan-toetra mahamay. Ny fiombonana amin’i Kristy no hahazakana ny fizahan-toetra rehetra na dia mahamay tokoa aza izy.

    2Mahasambatra (and 14-16)

    Ilay fizahan-toetra mahamay araka izay nolazaina. Fa ny fiombonana amin’i Kristy, ilay firaisana amin’i Kristy ao anaty fizahan-toetra no tena mahasambatra. Izany no mampiavaka ny Kristiana, sambatra ao anatin’ny fotoan-tsarotra noho izy miombona miray amin’i Kristy. Noho ny amin’i Kristy dia tonga manana ny Fanahy Masina ny mino, ary io Fanahin’Andriamanitra ao amin’ny mino io no mahatonga azy miombona mandrakariva amin’i Kristy. Tonga mahazaka ireo karazana fizahan-toetra samihafa ny mino noho ny asan’Andriamanitra  amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ao aminy. Izany no mahasambatra amin’ny fotoan’ny fizahan-toetra. Noho izany dia tsy matahotra hozahan-toetra ny tena Kristiana.

    Fanontaniana :

    Inona no tanjon’ny fizahan-toetra araka ny fijerinao azy ?

    Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM