Ny fomba hidirana ao amin’ny ny fanjakan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 04 Martsa 2021
Marka 10.17-27
Marka 10.17-27
17 Ary nony vao nivoaka nankeny an-dalana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 18 Ary hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra. 19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12-17). 20 Ary hoy izy taminy Mpampianatra ô, izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely. 21 Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy. 22 Dia nanjombona ter? ny tarehiny tamin'izany teny izany, ka niala tamin'alahelo izy, satria nanana harena be. 23 Ary Jesosy nijery manodidina ka nanao tamin'ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 24 Ary ny mpianatra dia gaga tamin'ny teniny. Fa Jesosy namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny matoky ny harena amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 25 Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 26 Dia talanjona indrindra izy ka nanao taminy* hoe: Iza indray no azo hovonjena?[* Na: nifampilaza]. 27 Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra.Ny fomba hidirana ao amin’ny ny fanjakan’Andriamanitra
Avy amin’ity tenin’ny Tompo ity no hahalalantsika fa izay te hiditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy maintsy :
1-Mitandrina ny didin’Andriamanitra (17-20)
Na dia fatoran’ny fitiavan-karena eto amin’izao tontolo izao aza ity lehilahy ity dia tian’Jesoa noho izy nahatanteraka ny didin’ny Tompo. Dingana iray hahazoana miditra amin’ny fanjakan’ny Tompo ny fitandremana ny didy. Izay efa nahazo ny famonjena rahateo no afaka mitandrina ny didin’Andriamanitra.
2-Mahafoy ny zavatra rehetra (21, 22)
Fizahan-toetra nahazo ity mpanan-karena ity ny momba ny harenany. Tsy afaka tamin’ny fatoran’izany izy ka raraka an-dàlana. Fepetra tsy azo ialana hidirana amin’ny Fanjakan’ny Tompo ny fahafoizana ny zavatra rehetra. Tsy afa-manaraka an-i Jesoa ho any amin’ny Fanjakany izay fatoran’ny zavatry ny tany. Tsy afa- miara-dàlana ny fizorana mankany amin’ny Fanjakan’ny Tompo sy ny fankamamiana ny zavatra eto amin’izao tontolo izao.
3-Manaraka an’i Jesoa (21)
Izay mahafoy ny zavatra rehetra tsy vesaran-javatra eto amin’izao tontolo izao no afaka manaraka an’i Jesoa. Làlana roa samihafa ny mankamamy ny eto amin’izao tontolo izao sy ny fanarahana an’i Jesoa. Tsy maintsy manao safidy mazava araka izany ny olona. Fa raha hisafidy ihany dia aleo misafidy hanaraka an’i Jesoa, satria na ho ela na ho haingana izao tontolo izao dia hisy farany avokoa. Ny Fanjakan’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
Fanontaniana :
Inona avy no manakana ny olona tsy ho any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM