Fampianaran’i Jeremia momba an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alarobia, faha 03 Martsa 2021
Jeremia 12.1-3
Jeremia 12.1-3
1 [Ny fitarainana nataon'i Jeremia noho ny nanambinana ny ratsy fanahy, sy ny navalin'i Jehovah azy] Raha mifandahatra aminao aho, Jehovah ô dia Hianao no marina; Nefa kosa aoka ihany mba handahatra aminao aho: Nahoana ary no ambinina ny lalan'ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpiodina rehetra? 2 Nambolenao izy, ka dia miorim-paka; Mitombo izy, ka dia mamoa; Manakaiky Anao amin'ny vavany izy, nefa manalavitra Anao amin'ny fony*.[Heb. voany] 3 Fa Hianao, Jehovah ô, mahalala ahy; Mahita ahy Hianao sady mizaha toetra ny foko ny aminao; Sariho toy ny ondry hovonoina ireny, ary atokàny* ho amin'ny andro hamonoana.[Heb. hamasino]Fampianaran’i Jeremia momba an’Andriamanitra
Ny mpanoratra ao amin’ny Soratra Masina raha nanoratra dia nikendry izay hahazoan’izay mamaky ny asa soratany hahalala bebe kokoa momba an’ Andriamanitra. Amin’i Jeremia ny Tompo dia :
1-Mahalala ny mpanompony (and 3a)
Hoy i Davida raha nanoratra ny Salamo izy « Jehovah o, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy. Hianao mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny » Sal 139.1, 2. Mahafantatra amin’ny antsipirihany ny momba ny mpanompony ny Tompo. Mahalala mihoatra noho izay fantatry ny mpanompony momba ny tenany aza Izy. Tsy misy miafina amin’ny Tompo ny momba antsika.
2-Mahita ny mpanompony (and 3b)
Hitan’Andriamanitra avokoa ny mpanompony : ny ataony, ny eritreriny, ny fikasany, sns…Tsy misy na inona na inona miafina amin’Andriamanitra . Hitan’Andriamanitra ny zavatra manjo ny mpanompony , ny adin-tsainy noho ireo zavatra ataon’ny ratsy fanahy azy aza. Amin’ny toerana rehetra sy amin’ny fotoana rehetra tokoa ny Tompo.
Mizaha toetra ny Mpanompony (and 3d)
« Dieu sonde le cœur » hoy ny dikan-teny frantsay. Ireo tranga eo amin’ny fiainana izany dia fizahan-toetra ataon’Andrimanitra amin’ny mino. Jeren’Andriamanitra ny fon’ny olona raha mitoetra ho mahatoky Azy na tsia amin’ny tranga samihafa avelany hiseho. Mitoetra ho mahatoky an’Andriamanitra mandrakariva na dia mafy aza ny fizahan-toetra ataony amintsika.
Fanontaniana :
Inona avy no fantatrao momba an’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM