Kristiana manana finoana tsara orina
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 01 Martsa 2021
MAMPIORINA NY MINO NY FIZAHAN-TOETRA
Deoteronomia 13:2-6
2 [Ny amin'ny fampijaliana izay mivavaka amin'ny sampy na mitaona ny sasany hivavaka aminy] Raha tahìny misy mpaminany na mpanonofy eo aminareo izay milaza famantarana na fahagagana aminao 3 sady manao hoe: Andeha isika hanaraka andriamani-kafa (izay tsy fantatrao), ka aoka hanompo azy isika, na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao, 4 dia aza mihaino ny tenin'izany mpaminany na mpanonofy izany; fa mizaha toetra anareo Jehovah Andriamanitrareo, hahalalany na miorina amin'ny fitiavana an'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra ianareo. 5 Manaraha an'i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo. 6 Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty satria efa nanao teny fampiodinana amin'i Jehovah Andriamanitrareo (Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ka nanavotra anao tamin'ny trano nahandevozana), mba hitaona anao hiala amin'ny lalana izay nasain'i Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.Kristiana manana finoana tsara orina
Amin’ny foto-kevi-dehibe ao amin’ny bokin’ny Deoteronomia ny fitaomana ny vahoakan’Andriamanitra tsy hiala amin’Andriamanitra, hifikitra amin’Andriamanitra. Mariky ny finoana tsara orina izany. Ny tena Kristiana manana finoana tsara orina dia:
Mahagaga fa eo amin’ny fiarahamonina dia misy mandrakariva ny mpamitaka, izay mitaona ny mino hiala amin’Andriamanitra. Manao zavatra mahasarika sy mahataona izy ireny ka maro no babony ary tafasaraka amin’Andriamanitra. Efa nampitandreman’i Jesoa ny mpianany izany. Ary rehefa mandinika ny fiainam-piarahamonina isika dia maro tsy hita isaina izy ireny.
Isika, amin’ny maha Kristiana antsika dia manorina ny finoantsika amin’Andriamanitra sy amin’ny teniny. Izany ihany no hahatonga antsika tsy ho voatarika hiala amin’Andriamanitra, na dia mahataona antsika tokoa aza ny fitaka eto amin’izao tontolo izao.
2. Matahotra an’Andriamanitra (and. 5, 6)
Ny tahotra an’Andriamanitra no mahatonga ny mino mifikitra amin’Andriamanitra. Rehefa matahotra an’Andriamanitra ny mino dia tsy miala Aminy ary mitandrina tsara ny didiny. Noho ny tahotra an’Andriamanitra koa dia manaiky hozahan-toetra ny mino ary izany fizahan-toetra izany no mampifikitra bebe kokoa ka tsy hiala Aminy.
Tsy araka izay hiheveran’ny maro azy ny fizahan-toetra marina fa mety mafy izy kanefa vao maika mampifikitra fa tsy mampifanalavitra amin’Andriamanitra velively.
Fanontaniana : Inona avy no fitaka mampisaraka ny mino amin’ny Tompo?