Andriamanitra Mpanafaka
Mofonaina anio: Alahady, faha 28 Febroary 2021
2 Tantara 12:1-8
2 Tantara 12:1-8
1 Ary Rehoboama, rehefa nampandry ny ny fanjakany sady efa nahery, dia nahafoy ny lalan'i Jehovah izy sy ny Isiraely rehetra. 2 Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely an'i Jerosalema, fa nivadika tamin'i Jehovah ny mponina tany, 3 ary nitondra kalesy roan-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana. 4 Dia nahafaka ny tanàna mimanda izay any Joda izy ka tonga tany Jerosalema. 5 Ary Semaia mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin'i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tànan'i Sisaka. 6 Dia niaiky ireo mpanapaka ny Isiraely sy ny mpanjaka ka nanao hoe: Marina Jehovah. 7 Ary nony hitan'i Jehovah fa niaiky izy, dia tonga tao amin'i Semaia indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy*; ary tsy haidiko amin'i Jerosalema avy amin'ny tànan'i Sisaka ny fahatezerako. [Na: fa hamonjeko ihany] 8 Kanefa ho mpanompony ihany izy, mba hahafantarany ny fanompoana Ahy sy ny fanompoana any amin'ny fanjakana hafa.Andriamanitra Mpanafaka
« Ary Rehoboama.. dia nahafoy ny lalan’i Jehovah izy sy ny Israely rehetra » (and. 1)
Hatramin’ny andro nanosorana an’i Rehoboama ho mpanjakan’i Joda nandritry ny telo taona dia nahery sy nandry fahalemana ny tany satria nihaino ny Tenin’i Jehovah ny mpanjaka sy ny vahoaka. Nony nahafoy ny « lalàn’i Jehovah » ny vahoaka dia tonga nanafika an’i Jerosalema ny mpanjakan’i Egypta. Amin’ny fotoana iheveran’ny olona fa milamina ny fiainany ka ahafoizany ny lalàn’Andriamanitra dia ho tonga tampoka amin’izany olona izany ny loza. Koa aza misaraka amin’Andriamanitra dia hitoetra aminao hatrany ny fiadanan’Andriamanitra sy Jesoa Kristy.
2. Mamonjy izay miaiky ny fahadisoany
« … Efa niaiky izy ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy… » (and. 7)
Rehefa tafiditra tao amin’ny tanànan’i Jerosalema ny miaramilan’i Sisaka mpanjakan’i Egypta dia tonga tao amin’i Rehoboama mpanjakan’i Joda i Semaia mpaminany nilaza fa ny fialana amin’i lalàn’i Jehovah no anton’izao. Niaiky ny fahadisoany i Rehoboama ka dia narovan’Andriamanitra ny ainy na dia nisy ihany aza ny famaizana azony. Rehefa miaiky ny fahadisoany noho ny faharatsiany ny olona. Andriamanitra mamindra fo aminy ka mamonjy azy, na dia misy ihany ny fahavoazana vokatry ny fahadisoana. Jesoa Kristy Mpanafaka.
Fanontaniana : Manao ahoana ny fahasalaman’ny fifandraisanao amin’Andriamanitra?