Ny olona omban’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 25 Febroary 2021

2 Tantara 17.1-13

2 Tantara 17.1-13
1 [Ny niandohan'ny nanjakan'i Josafata, sy ny fahazotoany hampandroso ny fivavahana tamin'i Jehovah, ary ny nanambinana azy] Ary Josafata, zanak'i Asa, no nanjaka nandimby azy, ary nitombo hery hiaro tena tamin'ny Isiraely izy. 2 Ary namponina miaramila tamin'ny tanàna mimanda rehetra eran'i Joda izy sady nametraka miaramila tany amin'ny tany Joda sy tany amin'izay tanànan'ny Efraima efa azon'i Asa rainy. 3 Ary Jehovah nomba an'i Josafata, satria nandeha tamin'ny nalehan'i Davida rainy izy, dia ilay tamin'ny voalohany, fa tsy mba nitady ireo Bala; 4 fa Jehovah, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nalehany, fa tsy mba araka ny fanaon'ny Isiraely. 5 Koa dia nampitoerin'i Jehovah teo an-tànany ny fanjakana; ary ny Joda rehetra nitondra fanomezana ho an'i Josafata, ka dia nanana harena sy voninahitra be izy. 6 Ary ny fony nihanatoky tamin'ny lalan'i Jehovah. dia noravany tsy ho eo amin'ny Joda ny fitoerana avo sy ny Aseraha. 7 Ary tamin'ny taona fahatelo nanjakany dia naniraka ny mpanapaka izy, dia Benaila sy Obadia sy Zakaria sy Netanela ary Mikaia, hampianatra tany amin'ny tanànan'ny Joda, 8 Ary nisy Levita koa niaraka tamin'ireo, dia Semaia sy Netania sy Zebadia sy Asahela sy Semiramota sy Jonatana sy Adonia sy Tobia ary Tob-adonia, Levita, mbamin'i Elisama sy Jorama, mpisorona. 9 Ary nampianatra tany Joda izy ireo, ka nentiny ny bokin'ny lalàn'i Jehovah, dia nitety ny tanànan'ny Joda rehetra izy ka nampianatra teny amin'ny olona. 10 Ary ny tahotra an'i Jehovah nahazo ny fanjakana rehetra tamin'ny tany manodidina an'i Joda, ka dia tsy nisy niady tamin'i Josafata ireo. 11 Ary ny Filistina sasany nitondra fanomezana sy vola hetra ho an'i Josafata; ary ny Arabo koa nitondra ondry aman'osy, dia ondrilahy fiton-jato amby fito arivo sy osilahy fiton-jato amby fito arivo. 12 Ary Josafata nihanahery indrindra ka nanao trano fiarovana sy tanàna fitehirizana tany Joda. 13 Ary nanana fananana betsaka tao amin'ny tanànan'ny Joda koa sy miaramila, lehilahy mahery, tany Jerosalema izy.

Ny olona omban’Andriamanitra

1-Manao ny sitrapon’Andriamanitra

« …fa Jehovah Andriamanitry ny rainy kosa no tadiaviny, ary araka ny didiny no halehany… ». (and.4)

Tamin’ny andro nanjakan’i Josafata mpanjakan’i Joda dia voalaza fa nomban’Andriamanitra izy satria nisafidy hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra sy nandrava ireo karazan-tsampy samihafa, toy ny fitoerana avo ny Bala, ny Aseraha. Vokatr’izany  fanapahan-kevitr’i Josafata izany, dia  « nampitoerin’i Jehovah tamin’ny fanjakana izy ». Rehefa misafidy ny hitady an’Andriamanitra ny olona ka manatanteraka ny sitrapony ary misaraka amin’ny fanompoan-tsampy , Andriamanitra no mampitoetra azy amin’ny voninahitra. Koa katsaho mandrakariva ny Tompo dia  homba anao hatrany Izy.

2-Mahita fitia eo imason’ny olona

« Ary ny tahotra an’i Jehovah nahazo ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Joda… » (and.10)

Nomban’Andriamanitra tokoa i Josafata mpanjaka ka natahotra an’i Jehovah ny firenena manodidina, ary tsy nisy sahy nanafika ny firenen’i Joda izy ireo, ka nandry fahalemana  ny tany. Tonga ny firenena manodidina nanome vola aman-karena ho an’i Josafata, biby maro isan-karazany no nomen’ny Joda azy. Nataon’Andriamanitra nahita fitia teo anatrehan’ny olona ny mpanjaka. Rehefa omban’Andriamanitra ny olona  dia ataony mahita fitia amin’ny olona satria tonga matahotra an’Andriamanitra. Koa mitadiava an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy, dia hahita fitia eo anatrehany ianao.

Fanontaniana

Ahoana ny fomba iainanao ny fombàn’Andriamanitra anao ?