Ny olona manaiky ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 20 Febroary 2021

NEHEMIA 8.1-8

NEHEMIA 8.1-8
1 Ary rehefa tonga ny volana fahafito, dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak'Isiraely. Dia nivory tahaka ny olona iray izy rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan'ny vavahadin-drano; ary niteny tamin'i Ezra mpanora-dalàna izy mba ho entiny ny bokin'ny lalan'i Mosesy izay nandidian'i Jehovah ny Isiraely. 2 Dia nentin'i Ezra mpisorona ny lalàna tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafito ho eo anatrehan'ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin'izay rehetra efa mahahaino. 3 Dia novakina teo an-kalalahana teo anoloan'ny vavahadin-drano izy hatramin'ny vao maraina koa ka ambara-pitataovovonan'ny andro, dia teo anatrehan'ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin'izay efa mahahaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin'ny lalàna. 4 Ary Ezra mpanora-dalàna nitsangana teo ambonin'ny lampihazo fitoriana, izay efa natao ho fitoriana izany; ary Matitia sy Sema sy Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia no nitsangana teo anilany ankavanana; ary Pedaia sy Misaela sy Malkia sy Hasoma sy Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama no teo anilany ankavia kosa. 5 Dia nosokafan'i Ezra teo imason'ny olona rehetra ny boky (fa ambony toerana noho ny olona rehetra izy); ary rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny olona rehetra. 6 Ary Ezra nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitra lehibe; ary ny olona rehetra nanandra-tanana ka namaly hoe: Amena, Amena; dia niondrika izy sady niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Jehovah. 7 Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin'izay nitoerany ihany. 8 Dia novakiny mazava ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon'ny olona tsara ny teny novakina.

Ny olona manaiky ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra

1-Manaiky hiombona (and1)

Rehefa niverina avy tany am-pahababoana ny vahoaka Jiosy dia tafatsangana ny manda. Vita ny paikady rehetra hampisy ny fandriampahalemana ny tany ary eto kosa dia nivory ny vahoaka rehetra hametraka ny fahefan’ny Tenin’ Andriamanitra .Raha tsy tonga amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra  mantsy ny vahoaka  dia ho zava-poana  ihany  ny fisian’ny manda natsangana sy ny paikady  rehetra napetraka hampandry fahalemana ny tany , ary izany  no nahatonga  izao fivoriana izao . Rehefa manaiky  hiombona sy hivory   hametraka  ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra  , dia i Jesoa Kristy , Ilay teny tonga nofo  ny  vahoaka dia ho tonga amin’izany  firenena izany ny fiadanana.

2-Manaiky  hihaino  ny TeninAndriamanitra

« Dia novakiana ary ny olona rehetra  dia nampandry  sofina hihaino ny bokinny lalàna » (and3)

. Tamin’ny fankalazana ny  fetin’ny trompetra ,rehefa tafangona avokoa ny vahoaka rehetra , raha tokony  hihaino ny feon’ny trompetra izy ireo  , dia nanaiky  hihaino  ny teny  avy  amin’ny bokin’ny lalàna . Novakiana ny bokin’ny lalàna nanomboka ny maraina ka hatramin’ny mitataovovonana . Naharitra tamin’ny fihainoana sy ny famakiana ny lalàna ny vahoaka , noho ny  faneken’izy ireo  fa manana fahefana eo  amin’ny fiainany manontolo  ny  bokin’ny lalàna  nanomboka ny maraina ka hatramin’ny mitataovovonana ; Naharitra tamin’ny fihainoana sy ny famakiana ny lalàna ny vahoaka , noho ny faneken’izy ireo  fa manana fahefana eo amin’ny fiainany manontolo  ny bokin’ny lalàna . Toy izany  ihany koa , ny tenin’i Jesoa dia manana fahefana eo amin’ny fiainan’ny olona , indrindra ireo mpino . Koa  maneke hihaino  ny Tenin’i Jesoa Kristy amin’ny faharetana dia ho  hitanao ny fahefany .

Fanontaniana :

Hatraiza ny faharetanao amin’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM