Ny olona mifaly amin’ny fatokiana ny Tenin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 15 Febroary 2021

SALAMO 119.161-168

SALAMO 119.161-168
161 [SINA] Na dia ny mpanapaka aza dia nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no atahoran'ny foko. 162 Faly aho noho ny teninao Tahaka ny mahazo babo be. 163 Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; Ny lalànao no tiako. 164 Impito isan'andro no iderako Anao Noho ny fitsipikao marina. 165 Be fiadanana izay tia ny lalànao, Ary tsy misy mahatafintohina azy. 166 Miandry ny famonjenao aho, Jehovah ô, Ka mankatò ny didinao. 167 Mitandrina ny teni-vavolombelonao ny fanahiko, Ka tiako indrindra izy. 168 Mitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao aho; Fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao.

Ny olona mifaly amin’ny fatokiana ny Tenin’Andriamanitra

1-Mazoto amin’ny fiderana Azy

« Impito isan’andro no iderako Anao, noho ny fitsipikao marina » (and 164)

Teo amin’ny Jiosy dia voafaritra ho intelo isan’andro (Sal.55.17) ny fivavahana amin’Andriamanitra. Fa ny mpanao Salamo kosa nanao mihoatra noho izay voafaritra tokony hivavahana sy hiderana an’ Andriamanitra vokatry ny fahatokiany Azy, ary voalaza fa « impito isan’andro » no nanaovanay izany. Araka izany, ny olona feno fahatokiana an’Andriamanitra dia mazoto manome voninahitra Azy, ary manatanteraka izany amin’ny fotoana rehetra, izany hoe midera an’Andriamanitra ny fiainanay fony izy tety an-tany. Fianarana ho antsika izany.

2-Miandry amin’ny fankatoavana ny teniny

« Miandry ny famonjenao aho, Jehovah o, ka mankato ny didinao » (and.166). Tao anatin’ny fanenjehan’ny fahavalo ny mpanao Salamo teto. Tsy niala tamin’ny fahatokiana ny didin’ Andriamanitra izy fa vao mainka aza nanamafy ny fahatokiana an’Andriamanitra. Niandry ny famonjen’Andriamanitra tao anatin’ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra izy. Miandry ny famonjena avy amin’Andriamanitra ao anatin’ny fankatoavana ny didiny, na dia miaina ao anatin’ny olana aza. Fianarana omen’i Jesoa Kristy antsika rahateo izany, na dia nandalo ny lalan’ny hazo fijaliana aza Izy, dia nankato ny didin’Andriamanitra hatrany.

Fanontaniana :

Inona no hataonao hiatrehana ny olana amin’ny ho avy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM