Ny olona te-hitory an’i Kristy
Mofonaina anio: Zoma, faha 12 Febroary 2021
ASAN'NY APOSTOLY 18.23-28
ASAN'NY APOSTOLY 18.23-28
23 Ary rehefa nitoetra tao elaela ihany izy, dia lasa nandeha nitety ny tany Galatia sy Frygia ka nampahery ny mpianatra rehetra. 24 Ary tonga tany Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay teraka tany Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin'ny Soratra Masina. 25 Izany lehilahy izany efa nampianarina ny lalan'ny Tompo; ary nafana fo izy, dia niteny sy nampianatra marimarina ny amin'i Jesosy, kanefa ny batisan'i Jaona ihany no fantany. 26 Ary izy niteny tamin'ny fahasahiana teo amin'ny synagoga; ary rehefa nandre azy Prisila sy Akoila, dia nandray azy hankao aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin'ny lalan'Andriamanitra. 27 Ary rehefa ta-handroso hankany Akaia izy, dia namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin'ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga izy, dia nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana; 28 fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason'ny olona ka naneho marimarina tamin'ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy.Ny olona te-hitory an’i Kristy
1-Manaiky hianatra mandrakariva
Feno fahasahiana nitory sy nanambara ny amin’i Jesoa i Apolosy . Tsy tena ampy anefa ny fahalalany , noho izany dia nandray an-tànana nampianatra azy marimarina kokoa ny amin’ny lalàn’Andriamanitra i Prisila sy Akoila. Na dia efa niroso tamin’ny asa fanompoana aza i Apolosy dia tsy nandà izany fanofanana izany . Araka izany , ny olona maniry hitory sy hampianatra ny Tenin’Andriamanitra dia mila fiofanana , mila fandalinana ny Tenin’Andriamanitra mandrakariva. Ho anao mpampianatra Sekoly Alahady , na dia mpampianatra nandritry ny taona maro aza ianao , meteza hanatevina ny fahalalanao ao amin’ny « Sekoly Alahady Manomana Mpampianatra »
2-Mandroso hatrany
Rehefa nandray ny fiofanana natolotr’i Prisila sy Akoila i Apolosy dia tery am-panahy handeha ho any an-toeran-kafa : » Ary rehefa ta-handroso hankany Akaia izy ... ». Tsy nijanona teo amin’ny toerana nandraisany fiofanana izy fa indro manamafy ny fanoloran-tenany hanompo an’i Jesoa Kristy , hitory ny Filazantsaran’ny famonjena . Nataony ho zava-dehibe ny hampahatanjaka , ny hampiorina ny finoan’ny olona tao Akaia . Eny , nandresy lahatra ny olona izy fa Jesoa Kristy no nomen’Andriamanitra ho famonjena . Araka izany , rehefa nandray fampianarana sy ny fiofanana ianao ka mijoro , dia miorena tsara ary tanteraho ny asa fanompoana niantsoan’i Jesoa Kristy anao .
Fanontaniana :
Misy amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Fiangonana no kamo mandray fiofanana . Inona no tokony hatao aminy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM