Ny olona mahay ny Tenin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 08 Febroary 2021
ASAN'NY APOSTOLY 17.10-15
ASAN'NY APOSTOLY 17.10-15
10 Ary Paoly sy Silasy dia nampandehanin'ny rahalahy niaraka tamin'izay nony alina hankany Beria; koa raha tonga tany izy, dia niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy. 11 Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan'andro, na marina izany, na tsia. 12 Koa maro tamin'ireo no nino, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy jentilisa* nanan-kaja sy ny lehilahy. [*Gr. Grika] 13 Fa raha ren'ny Jiosy tany Tesalonika fa Paoly nitory ny tenin'Andriamanitra tany Beria, dia nankany izy ka nampikotrana sy nampitabataba ny vahoaka. 14 Ary niaraka tamin'izay dia nasain'ny rahalahy nandeha hatrany amoron-dranomasina Paoly; fa Silasy sy Timoty kosa dia mbola nijanona teo ihany. 15 Ary izay nanatitra an'i Paoly dia nitondra azy nankany Atena; ary rehefa nahazo teny holazainy amin'i Silasy sy Timoty izy mba hankanesan'izy roa lahy any aminy faingana, dia lasa nandeha ireo.Ny olona mahay ny Tenin’Andriamanitra
1-Manana toe-panahy mendrika
Tena miavaka ny toe-panahin’ny olona mahay mihaino sy mandray marina ny Filazantsaran’ny famonjena toriana sy ampianarin’ireo zanak’Andriamanitra . Tsara noho ny toe-panahin’ny Jiosy tao Tesalonika ny toe-panahin’ny olona tao Beria . Toe-panahin’ny olona miaina araka ny Soratra Masina ka matahotra an’Andriamanitra , manaja fatratra ny mpitory ny Filazantsara . TarIhina isika kristiana mba hiorina tsara amin’ny finoana ka handray ny toe-panahy tsara sy miavaka . Tsy hanao tahaka ny Jiosy tao Tesalonika , olona ratsy toetra fa na dia efa niova toerana aza ny mpitory ny Filazantsara dia mbola enjehiny ihany .
2-Mandalina Soratra Masina mandrakariva
Isanandro dia nanokana fotoana handinihana ny Soratra Masina ny tao Beria . Te-hahafantatra ny marina , te- hitombo amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy izy ireo . Vokatr’izany fandinihana ny Soratra Masina izany dia nitombo isa hatrany ny olona nino . Nino ny famonjena notanterahin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa kristy . Sokajin’olona samihafa teo amin’ny fiarahamonina tao Beria no nanampy isa ny mpanara-dia ny Tompo . Tsarovy fa raha te- hitombo amin’ny finoana isika , te-hiorina marina amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy manokana fotoana hamakiana sy handalinana ny Tenin’Andriamanitra isanandro . Miaraha mandinika Soratra Masina dia hitombo ny fiombonana .
Fanontaniana :
Inona no tombontsoa azonao amin’ny fandalinana ny Tenin’Andriamanitra ? Ifampizarao amin’ny hafa.
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM