Ny olona mankato ny Tenin’Andriamanitra Naminany i Elia fa noho ny fahotan’ny Zanak’Israely dia tsy hisy ando na ranonorana amin’ny tany.
Mofonaina anio: Zoma, faha 05 Febroary 2021
I Mpanjaka 17 : 7 - 16
I Mpanjaka 17 : 7 - 16
1 [Ny niandohan'ny asan'i Elia mpaminany] Ary Elia Tisbita, isan'ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin'i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin'izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany.Ny olona mankato ny Tenin’Andriamanitra Naminany i Elia fa noho ny fahotan’ny Zanak’Israely dia tsy hisy ando na ranonorana amin’ny tany.
1- Mandresy ny olana Noho ny tsy fisian’ny ando, ny ranonorana dia niseho tokoa ny hain-tany, tonga ny mosary, nandalo fahasahiranana ny olona. Notsinjovin’Andriamanitra manokana kosa anefa i Elia mpaminany ka nasainy niala teo amin’ny taniny hifindra toerana hafa. Teo ny fierena tany anilan’ny renirano Kerita (and 3). Toy izany koa ny toro-marika nitaona azy ho any Zarefata fa hisy olona voaoman’Andriamanitra hikarakara azy any. Ny fankatoavan’i Elia izany toro-marika rehetra avy amin’Andriamanitra izany no nandraisany vahaolana hatrany.
2- Mandray fahasoavana Rehefa tonga teo amoron’ny renirano Kerita i Elia mpaminany dia nirahin’Andriamanitra nanatitra sakafo namelona azy ny goaika. Toy izany ko no niseho rehefa tonga tao amin’ny tranon’ilay vehivavy mpitondratena izy. Niaina tao anatin’ny mosary ny fiaraha-monina fa i Elia mpaminany sy ity tokantrano nampandroso azy ity kosa dia niaina tamin’ny fahasoavan’Andriamanitra, tsy nety ritra, tsy nety lany ny koba sy ny diloilo (and 16). Rehefa mino sy mankato ny Tenin’Andriamanitra isika dia miorina tsara amin’ny fanarahana sy ny fanompoana Azy. Miaina amin’ny fiainam-pahasoavana natokana ho an’ny olony. Fiainana miavaka no omen’Andriamanitra ny mino.
Fanontaniana: Manao ahoana ny anjara toeran’ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao?