Ny Tenin’Andriamanitra iainana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 04 Febroary 2021

JOSOA 1.1-9

JOSOA 1.1-9
1 [Ny niomanan'i Josoa sy ny olona hita an'i Jordana] Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin'i Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Mosesy: 2 Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin'ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak'Isiraely. 3 Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin'i Mosesy. 4 Hatramin'ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an'ny Hetita, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo. 5 Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin'ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho. 6 Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy. 7 Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian'i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba hambinina* ianao amin'izay rehetra alehanao. [Na: ho hita ho hendry] 8 Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina*. [Na: ho hita ho hendry] 9 Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.

Ny Tenin’Andriamanitra iainana

1-Manamafy  ny teny fampanantenana

Nandimby  an’i Mosesy  nitarika ny zanak’Israely  i Josoa . Tsy  miova ny fikasan’Andriamanitra , hampandova  ny zanak’Israely  ny tany Kanana (and 2) . Koa mba hahafahan’I Josoa  mandroso  mitarika ny olona  dia nanamafy  ny teniny  Andriamanitra fa rehefa  tafita an’I Jordana  izy ireo  dia ny  tany  hodiavin’ny faladiany  no anjara lova ho an’ny olony . Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no ahitantsika ny fanomezana miavaka tiany hatolotra antsika .

2-Mampahery (and5-6)

Tsy mora ny fidirana ao amin’ny tany  Kanana izay nomen’Andriamanitra ho lovan’Israely . Nisy ny ady tsy maintsy atrehina . Nanome toky  anefa Andriamanitra fa tsy  hamela ho irery an’i Josoa eo amin’ny fitarihana  ny zanak’Israely  : “tahaka ny nombako an’i Mosesy no hombako anao  koa” . Mampahery  , mampijoro ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny andraikitra apetraka aminy ny Tenin’Andriamanitra .

3-Mampanantena fahombiazana (and7-9)

Mampahery hatrany an’i Josoa ho amin’ny fitandremana ny Teniny Andriamanitra .Raha mametraka ny Tenin’Andriamanitra ho fototry ny andraikitra tanterahina izy , ho  fiainany  dia izany  no antoka hahalavorary  ny diany  ho any amin’ny tany Kanana. Ny mpino  kristiana tena miaina sy mivelona amin’ny Tenin’Andriamanitra dia mahita fahombiazana eo amin’ny fiainana .

Fanontaniana:

Mitondra inona ho anao  ny fihainoana na ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM