Tenin’Andriamanitra antoky ny fiainana ho avy

Mofonaina anio: Talata, faha 02 Febroary 2021

HEBREO 4.1-13

HEBREO 4.1-13
1 Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin'ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany. 2 Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay nandre*. [* Na: satria tsy nampiraisin'ny finoana tamin'izay nandre izy] 3 Fa isika izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: "Toy ny nianiako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa. 4 Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin'ny teny anankiray araka izao: "Ary Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito" (Gen. 2.3). 5 Ary amin'izao koa: "Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95. 11]. 6 Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin'ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana, 7 dia mametra andro anankiray indray Izy, na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin'i Davida hoe: "Anio", araka ny voalaza teo hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo Aza manamafy ny fonareo" (Sal. 95.7, 8) 8 Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany. 9 Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra. 10 Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy* koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy. [* Na: izy] 11 Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa. 12 Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo. 13 Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason'izay iafaran'ny ataontsika.

Tenin’Andriamanitra antoky ny fiainana ho avy

1-Raiso ny Tenin’Andriamanitra

Mitaona ny mpino kristiana mba tsy hanahaka ny Zanak’Israely ny mpanoratra . Ny tany Kanana no nampanantenain’ Andriamanitra an’i Abrahama ho loban’ny taranany . Nanafaka azy ireo tany amin’ny tany Egypta Andriamanitra mba hampiditra azy ireo ho any amin’ny lovany . Indrisy anefa fa nisy ireo tsy nino , tsy natoky ny fitondran’Andriamanitra ka tsy tafiditra tao amin’ny tany Kanana. Tarihana noho izany isika kristiana mba hino sy handray mandrakariva ny Tenin’ Andriamanitra fa izany koa no antoka handovantsika ny fiainana ao amin’ Andriamanitra , handraisantsika ny fitsaharana , indrindra handray ilay Teny tonga nofo dia i Jesoa Kristy .

2-Araraoty ny fotoana omen’ Andriamanitra

Tian’Andriamanitra hiditra ao amin’ny fitsaharany ny olona rehetra . Tiany handovany fiainana ao Aminy . Noho izany dia zava-dehibe ny fitoriana ny Filazantsara mba hahatonga ny olona ho amin’ny finoana . Ny finoana an’Andriamanitra sy ny Teniny ihany no làla-tokana ho amin’izany . Tarihana mba hanararaotra ny fotoana omen’Andriamanitra azy ny olona rehetra , tsy hangataka andro , tsy hanjehiy ny andro lava . Mazava tsara ny voalaza hoe : « Anio, raha mihaino ny feony ianareo , aza manamafy ny fonareo » (and7) . Tsarovy fa ny tombonandro omen’Andriamanitra anao dia fanehoany ny famindrampony mba hahafahanao mandray ny Teniny ho amin’ny finoana .

Fanontaniana :

Inona no andraikitra miandry anao amin’ireo olona mbola misalasala ka tsy mety mino ny Tenin’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM