Inona no hevitry ny hoe : »ny hazo fijaliana »mialohan’ny satroboninahitra?

Mofonaina anio: Talata, faha 26 Janoary 2021

HEBREO 12.1-6

HEBREO 12.1-6
1 [Fananarana hampahatanjaka ny sain'ny malemy finoana sy hampaharitra azy] Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, 2 mijery an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra Izy. 3 Fa hevero tsara Ilay naharitra ny fanoherana nataon'ny mpanota taminy*, fandrao ho ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo. [* Na: ireo mpanota manimba tena] 4 Hianareo tsy mbola nanohitra niady tamin'ny ota hatramin'ny fahalatsahan-drà. 5 Ary hadinonareo ny fananarana izay milaza aminareo toy ny amin'ny zanaka hoe: "Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon'i Jehovah, Ary aza reraka, raha resi-lahatry ny anatra ataony ianao; 6 Fa izay tian'i Jehovah no faizany, Ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny" (Oha. 3.11,12).

Inona no hevitry ny hoe : »ny hazo fijaliana« mialohan’ny satroboninahitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM