Raha ny tantaranao no jerena , inona avy tamin’ireo toetran’Andriamanitra tanisain’ny mpanao salamo ireo no efa tsaroana fa nahakasika anao mivantana?
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 25 Janoary 2021
SALAMO 111.1-9
SALAMO 111.1-9
1 [Salamo abidy. Ny fahatsaran'Andriamanitra, sy ny soa ataony amin'ny olony] Haleloia. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho, Eo amin'ny fivorian'ny marina sy ny fiangonan-dehibe. 2 Lehibe ny asan'i Jehovah, Ka dinihin'izay rehetra mankasitraka azy. 3 Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay. 4 Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah. 5 Nomeny hanina* izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.[Heb. toha] 6 Ny herin'ny asany nasehony tamin'ny olony. Tamin'ny nanomezany azy ny lovan'ny jentilisa. 7 Ny asan'ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra; 8 Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana. 9 Manatitra fanavotana ho an'ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masina sy mahatahotra ny anarany.Raha ny tantaranao no jerena , inona avy tamin’ireo toetran’Andriamanitra tanisain’ny mpanao salamo ireo no efa tsaroana fa nahakasika anao mivantana?
Sampana Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM