Ny Filazantsara
Mofonaina anio: Alahady, faha 21 Febroary 2021
1 TESALONIANA 2.13-16
1 TESALONIANA 2.13-16
13 Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an'Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin'Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin'olona, fa araka izay marina, dia ny tenin'Andriamanitra, izay miasa anatinareo izay mino koa. 14 Fa ianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan'Andriamanitra any Jodia izay amin'i Kristy Jesosy; fa ny nanjo anareo noho ny nataon'ny iray firenena aminareo dia sahafa amin'ny nanjo ireo koa noho ny nataon'ny Jiosy taminy, 15 izay namono an'i Jesosy Tompo sy ny mpaminany koa ary nandroaka anay sady tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra ary manohitra ny olona rehetra, 16 ka mandrara anay tsy hitory amin'ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan'ny tenany mandrakariva; kanjo efa niharan'ny fahatezerana hatramin'ny farany izy.Ny Filazantsara
1-Raisina amin’ny maha-Tenin’Andriamanitra azy
« …tsy noraisinareo ho tenin’olona fa araka izay marina dia ny Tenin’Andriamanitra » (and13) .
Raha nitoriteny tany Tesalonika i Paoly dia nisy olona sasany nanaraby sy nilaza mihitsy fa « lehilahy namadika izao tontolo izao » i Paoly Apostoly (Asa 17.6) . Na dia teo aza izany fanamavoana an’i Paoly sy ny Filazantsara izany dia noraisin’ny olona araka izay marina » ny Tenin’ Andriamanitra . Raha tonga eo aminao koa ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy dia raiso araka ny fahamarinan’i Jesoa Kristy izany fa aza mihevitra izany ho toy ny tenin’olona. Raiso amin’ny maha-Tenin’Andriamanitra azy izany fa aza mijery ny olombelona mpitoriteny .
2-Misy fanenjehana sy sakantsakana
« …ny nanjo anareo noho ny nataon’ny iray firenena aminareo …ary nandroaka anay » (and 14.15)
Hatramin’ny voalohany dia efa niatrika fanenjehana sahady ireto kristiana tany Tesalonika ireto , indrindra fa i Paoly Apostoly izay nitory ny Filazantsara . Na dia teo aza anefa izany fanenjehana sy sakantsakana izany , dia tsy nampihemotra ireo amin’ny finoana fa i Jesoa no Kristy izany. Ho anao ihany koa , ho tojo fanenjehana sy sakantsakana ianao eo am-panaovana ny asan’Andriamanitra sy fiainana ny finoana , kanefa aza kivy na mihemotra amin’izany fa tohizo hatrany ny fanompoanao ary miorena amin’ny finoana , mba handraisan’ny Jentilisa famonjena.
Fanontaniana:
Ahoana no fiatrehanao fanenjehana amin’ny asan’ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM